Nambaran’ny vondron’ny kandidà «C11», omaly, fa tafatsangana ny «Cellule de crise». Natao hamaritra sy handrindra ireo hetsika rehetra hatao manerana an’i Madagasikara manomboka amin’ny herinandro ho avy izao izany. Etsy andaniny, efa namolavola lalàm-pifidianana vaovao ny eo anivon’ny C11. Natao hanatsarana ny lalàna efa misy izany, araka ny nambaran’izy ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
Manova vao mandroso
Ambetitenin’ny Malagasy tsivakivolo ny hoe tsy handroso intsony, rahoviana vao handroso…Tonga hatrany amin’ny sangisangy zary tenany hoe ” fohazy Aho rehefa mandroso”, oha-pitenenan’ny amiraly Ratsiraka Didier. Mba atao sanatrian-dresaka ve? Sanatrian’ny vava ladian’ ny lela. Tsy misy voaozona tahaka izany fa misy foana ny fanantenana. Fanantenana arahim-pinoana sy ezaka […]
Fianianan’ny filohan’ny Repoblika : hiatrana ny Emmo/Nat, voarara ny hetsika politika
Hentitra ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard sy ny prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nampitandrina ireo halaim-panahy hanakorontana izy ireo amin’izao hanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana izao. Nambaran’ny prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo fa hihamafy kokoa ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana. “Voarara ny hetsika […]
TSELATRA
Mpanao gazety iray naratra nodarohana telo lahy tetsy Paraky, afakomaly. Nosakanan’ny andian-dehilahy avy nisotrosotro izy. Nidina hanisaka ireo lehilahy nibahana ny lalan’ny moto nentiny io mpanao gazety io, kinanjo niharan’ny daroka sy vono. Zazavavy 5 taona niharan’ny fanolanana tao Ambatotokana, fokontany Ambalabe, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 desambra […]
Hanoro ilay toerana misy lohan’olona : dahalo roa maty rotiky ny balan’ny zandary
Dahalo maromaro no voarohirohy tamina trangana fanapahan-doha nisesisesy tao amin’ny distrikan’i Vondrozo, ny herinandro teo. Roa tamin’ireo dahalo voasambotra no niaiky fa nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana nahatapahan-doha ny renin’ny lefitry ny sefo fokontany Miarinarivo Andoharano, distrikan’i Vondrozo. Fantatra nandritra ny famotoran’ny zandary fa misy lavaka lehibe iray akaikin’ny renirano […]




