Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, efa dingana farany sisa no hatao, hifindra ao amin’ny klioban’ny Inter Miami, Etats-Unis, i Luis Suarez, Orogoay mpilalao baolina kitra. Raha tanteraka io fifindrana io, miisa efatra izany ny mpilalao barcelone fahiny ao amin’izy ireo. Anisan’izany, i Messi sy Busquets ary Jordi […]

Andy Erika : niangaly jiu-jitsu nanomboka ny faha-4 taona

Malagasy mpikatroka ny taranja jiu-jitsu zandriny indrindra eto Madagasikara, i Andy Erika, vao 8 taona monja. Zandriny indrindra saingy tena efa misongadina tanteraka satria efa in’efatra izy no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ity taranja ity. Nanom­boka tamin’izy zaza vao efa 4 taona dia efa niangaly ny jiu-jitsu brezilianina i Erika. Efa fahazarana ho azy ny […]

« Grand Tournoi d’Antananarivo » : lavon’ny US Pro ny Mama FC

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’Ambohidra­trimo, ny andro faharoan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Lavon’ny US Pro klioba avy amin’ny ligin’Analamanga, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Mama FC “OPL”. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, ady sahala 0 no ho 0 nentin’izy ireo niala sasatra. Rehefa nandeha […]

Kitra – Fandaharanasa TDS : tetikasa hananganana Barea U.17

Tanterahina eto Madagasikara ny fandaharanasa fampiroboroboana ny talenta, amin’ny taranja baolina kitra, ho an’ireo kilonga 13 taona. Tanjona ny hananganana Barea U.17, handray anjara amin’ny « Can 2026 ». Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry ny tetikasa fampi­roboroboana ny talenta eo amin’ny taranja baolina kitra. Fanda­ha­ranasan’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA) izy ity […]

Tsiroanomandidy: trano roa may nodoran’ ny dahalo

Nodoran’ny dahalo ny trano fonenana, nentin’izy ireo ny omby miisa dimy tao amin’ny tanànan’Ambohimamory, kaominina ambanivohitra Ambatolampy, distrikan’i Tsiroanoman­didy, ny alin’ny alatsinainy 4 desambra teo. Nitam-piadiana ireo dahalo. Norobain’izy ireo avy hatrany ny omby tao anatin’ny vala ary nodorany ny tanàna. Tsy nilavo lefona anefa ny fokonolona ka nanara-dia. Nanampy […]