Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny ombiasy iray sy ny dahalo namany nandritra ny fisamborana azy ireo tao Vondrozo, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny alatsinainy 4 desambra teo. Nikasa hanatanteraka ny sorona faharoa ahafahan’izy ireo mahazo ny rano mavesatra na « mercure » ireo dahalo ireo, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary tamin’ireo namany izay efa voasambotra. Nidina ifotony nanamarina […]
Auteur/autrice : Adnews
Fikarohana: tsy mipaka any amin’ny vahoaka ny ankamaroany
Nanatanteraka atrikasa tetsy Anosy ireo fivondronamben’ny Mpikaroka eto Madagasikara, afakomaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Projet de préparation aux pandémies et renforcement des services essentielles de santé de base», izany. Nandraisan’ny minisitera efatra anjara ka tanatin’izany, ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny atrikasa. Tsy mbola tena mifankahalala ny mpikaroka […]
Raderanirina Sendrison: « Mbola manana ny fifidianana depiote ny vahoaka… »
Efa tokony hifantoka amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny ben’ny Tanàna indray ny rehetra. Io ny hevitra nambaran-dRaderanirina Sendrison Daniela. “Tany demokratika i Madagsikara ka ny fanarahana sy fanajana ireo fitsipika mamaritra izany no anisan’ny fanehoana izany”, hoy Raderanirina Sendrison Daniela, kandidà nandritra ny fifidianana filoham-pirenena malagasy farany teo. Niantso ny rehetra, indrindra ny vahoaka […]
INDRAY MIJERY
Nandray anjara tamin’ny fivoriana ara-potoana nokarakarain’ny OIT tao amin’ny Foibe iraisam-pirenena momba ny asa any Turin, Italia, ny Akademia momba ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra malagasy. Manome fitaovana sy fomba fanofanana mikendry ny hampiroborobo ny asa mendrika eo amin’ny toekarena eny ambanivohitra ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny Akademia. Niofana mahakasika […]
Lakandrano Vallée de l’Est : manakana ny fikorianan’ny rano ny plastika
Manadio ny lakandrano Vallée de l’Est ny Apipa nanomboka tamin’ity herinandro ity. Lakandrano mampitohy an’Andravoahangy amin’ny farihin’i Masay izy io. Hita sy voaporofo fa ny fako plastika sy ny fotaka no tena manentsina ny lakandrano. Manakana tanteraka ny fikorianan’ny rano izany. Manampy betsaka amin’ny fikorianan’ny rano avy any Ankatso, Ampandrana, […]




