Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Hiverina hisokatra ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa nikatona nandritra ny efa-taona. Niainga teo amin’ny garan’i Soanierana omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy 20 minitra ny “draisine” ampiasaina amin’ny asa fanamboarana atao ary tonga tao Antsirabe tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Hivelatra […]

fanenana ny entona karbona : nahazo 8,8 tapitrisa dolara i Madagasikara

Mitentina 8,8 tapitrisa dolara ny vola azon’i Mada­gasikara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena entina hanenana ny entona karibona. 1,76 tapitrisa taonina ny entona ratsy, nandritra ny taona 2020. Firenena fahatelo aty Afrika nandoavan’ny Banky iraisam-pirenena vola ho fampihenana ny entona vokatry ny fahasimban’ny ala ny firenena malagasy, ilay antsoina hoe REDD+. […]

“Cop 28”- Dubaï : Andro manokana ho an’i Madagasikara

Natokana ho andron’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, na “Wash Day”, omaly 5 desambra, tany Dubaï tao amin’ny tranoheva manokana, Pavillon Madagasikara. Mandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana, “Cop 28” no nanaovana izany, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo. […]

Fasankarana-Anosizato: hamboarina ny lalana mirefy 3,2 km

Anisan’ny mampitaraina ny mpampiasa lalana ny eny amin’ny Fasankarana, mivoaka any Anosizato. Hamaha ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny fanarenana azy tanteraka. Nanomboka omaly, ny fanarenana ny lalana eny Ankadimbahoaka, Fasankarana, Anosizato. Haharitra enina herinandro ny asa, ka hifarana amin’ny 19 desambra ny dingana voalohany, fa hiverina hitohy indray manomboka ny 5 […]

SOMBIM-BAOVAO

Malagasy mpitsara efatra no nitsara ny lalao nihaonan’i Maurice sy Seychelles, taranja baolina kitra, omaly, tany Maurice. Marihina fa lalao ara-pirahalahiana ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Anisan’ny mpi­tsara tamin’izany Raharimanantsoa Lova­soa, Razafitsalama Herilalaina, Ramanan­tsara Nivo, ary i Ohabee Abdoul. Notanterahina omaly, teny amin’ny kia­njan’Ambohidratrimo, ny andro faharoan’ny fifaninanana « Grand […]