Tsy hisy tranga mahery vaika ahina hiseho mandritra ity herinandro ity, araka ny fampahafantarana avy amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Amin’ny ankapobeny, tso-drivotra malefaka miovaova izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefana no hamaritra ny toetry ny andro hatramin’ny zoma ho avy izao. Tsy ho […]
Auteur/autrice : Adnews
HUJR BEFELATANANA: tanora no betsaka voan’ny Sida, hoy ny profesora Mamy Randria
Mitondra fanazavana lehiben’ny sampandraharahan’ny areti-mifindra ao amin’ny CHUJR Befelatanana fa tena misy ny aretina VIH/Sida. Mihabetsaka ny olona marary raisin’izy ireo an-tanana ankehitriny. “Ny tanora no tena betsaka voan’ny Sida sy mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Misy koa ny olon-dehibe mihoatra ny 60 taona”, hoy ny profesora Mamy Randria. Misy dingana […]
TARATRY ny KANTO
Tontosa omaly, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsirapo. Nisafidy ny Akany Fitahiantsoa ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, nanaovana “Tagnamaro”. Nanajary, nandoko, nanavao ny zaridaina sy nizara fanomezana ho an’ny ankizy ary fitaovana ho an’ny akany no natao nandritra izany. Nandramana ary nahomby. Fantatra fa hotohizana ny […]
Akademia Malagasy : omen-kasina i Régis Rajemisa-Raolison
« Oloben’ny teny, ny literatiora, ny kolontsaina malagasy ary ny fampianarana sy ny fanabeazana ». Ireo sehatra rehetra nosahanin’i Régis Rajemisa-Raolison, tao anatin’ny taona maro (1913 – 1990), no omen-kasina sy lanja, ao amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza, rahampitso manomboka amin’ny 9 ora maraina. Famelabelaran-kevitra 10 no hotontosaina, mandritra ity andro […]
Tranombokim-pirenena : hisy velakevitra atolotr’i Hobiana
« Ny filalaovana amin’ny teny : siran-daokan’ny tantara » no lohahevitra nosafidin’ny Famoloana Telozoro, iompanan’ny velakevitra anio. Hitarika izany i Hobiana Andrianimerina, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. « Na inona na inona dia ny asa soratr’izay nahay niangaly fitantarana no hitoetra, fa tsy izay nitantara rehetra akory », hoy […]




