Auteur/autrice : Adnews

Aft Andavamamba : manandratra ny mpahay kanto ny « Slumourap »

Tontosa teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), ny hetsika “Slumourap”, ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo. Tonga maro namaly ny antson’ny mpikarakara ireo mpankafy sy mpandray anjara. Raha tsiahivina, Slam sy hatsikana ary Rap, izay natambatra tao anaty seho iray no natao tamin’ity fotoana ity. Tanjon’ny hetsika ny hanome sehatra […]

Misaona indray ny zavakanto: nodimandry i Ndrematoa, andrarezin’ny tantara an-tsary

Iza re no hampitoviana aminy? Angamba tsy misy fa tena andrarezina tokoa i Ndrematoa, teo amin’ny tontolon’ny sariitatra sy ny tantara an-tsary. Nametraka tanteraka ny pensilihazo ka lasa any amin’ny mandrakizay izy… Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny sabotsy teo, teo amin’ny faha-67 taonany Rakotonomenjanahary Razanakolona Dieudonné, fantatry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hitohy anio ny hetsiky ny Vondron’ny kandidà 10. Hanodidina ny farihin’Anosy ny fihaonan’izy ireo amin’ireo mpiara-dia aminy. Hetsika fandavana ny fifidianana feno hosoka sy firaisam-po amin’ireo mpitolona maratra sy voasambotra izany, araka ny fanambarana. Efa tonga eto ny iraky ny Sadc, mpanara-maso ny fifidianana. Midika fa tsy azo ahemotra intsony […]

ANTOKO TGV: nesorina i Razanamahasoa Christine

Nilatsaka ny fanapahan’ny birao nasionalin’ny TGV, ny faran’ny herinandro teo. “Ala­na tsy ho mpikambana amin’ny antoko intsony Razana­ma­hasoa Christine ary tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny TGV koa”, hoy ny fanambarana. Anton’izany ny fanambarana narahina fanapahan-kevitra sy fihetsika tsy nifampierany tamin’ny antoko. Tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitra ijoro­an’ny TGV izany, araka ny […]

Miova vao manova

  Amin’ny politika, na mahavoa na voa roa: fanaovan-javatra amin’ny fotoana tena ilana sy mety ary tsara anaovana azy. Efa fahaizana politika ny fahalalana sy fanararaotana ary fahazoana antoka izany. Eo koa izay atao amin’izany, ny fomba fanaovana azy, ny olona hanao… Tsy fanaovana kitsapatsapa izany, tsy atao amin’ny fahazarana, […]