Avo lenta loatra ilay kajikajy any anatin’ny filalaovana politika eto Madagasikara. Mibaribary fa viraviraina ilay vahoaka. Lalaovina ny fony, tsinontsinoavina ny hambom-pony ka atao sorona ny ainy. Mafy loatra ny fitiavam-pahefana ka tsy mahandry tantana. Mipololoatra toa tsy hay vonoina ny vainafon’ny fankahalana ka mitrifana. Indrisy anefa, mirona amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Madagascar Airlines : angatahana hanohana ara-bola ny Banky iraisam-pirenena
Misedra olana tanteraka ny kaompania Madagascar Airlines. Anisan’ny vahaolana hitan’ny fanjakana ny hindram-bola any amin’ny Banky iraisam-pirenena, hanatanterahana ny drafi- panarenana. Nandefa taratasy tany amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF) ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), tamin’ ity herinandro ity. Vontoatiny ny hangatahana any amin’ny Banky […]
Ambodimita : norarahana lasantsy ny biraom-pokontany
Niredareda nandritra ny ora iray ny afo teo amin’ny biraom-pokontany Ambodimita, boriborintany fahenina, afakomaly alina. “Nahare olona nikasokasoka tao ivelan’ny trano izahay ary nisy fofona lasantsy noho ny avy eo”, hoy ny nambaran-dRahanitriniaina Lalao, izay mifanalo-bodirindrina amin’ny biraom-pokontany. Nirehitra ny tohatra eo amin’ny trano misy ny biraom-pokontany ka nivoaka avokoa […]
TSELATRA
Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fanafihana nitranga tao amin’ny tokantranon’ny vadin’ny minisitry ny Serasera teo aloha, omaly hariva, teny Ambatolampy Tsimahafotsy. Niantso vonjy io lehilahy io fa misy olona mikasa hiditra an-keriny tao an-tranony. Nanakana ireto farany tsy hiditra ny efitrano ny lasibatra. Lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR sy ny CSP1 teo […]
Bala tetsy Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana lalina
Bala iray fampiasa amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika nilatsaka tamin’ny tany nandritra ny savorovoro, tetsy Mahamasina, omaly. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Karohina ny tompon’antoka nitondra ny fitaovam-piadiana ka nahatonga ny bala tena izy iray nilatsaka teny Mahamasina, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana, omaly. Nandritra ny sakoroka nifandonan’izy ireo sy ny […]




