Mitohy ny fikaroham-bahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Anisan’ny manao izany ny vovonana iarahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny eo anivon’ny FFKM. Noraisin’izy ireo teny Tsimbazaza ny iraky ny Sadc, omaly. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa anisan’ny anton’ny dinika rehetra tanterahin’ity vovonana ity amin’izao fotoana izao […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka ny fivoriana ofisialy voalohany ny komity mpanatanteraka omaly, rehefa vita ny fitsinjaram-pahefana teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Marihina fa manana tanjona goavana ny FMF, ny ahitana an’i Madagasikara, any amin’ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Afaka sivy andro, hiatrika ny lalao ihaonany amin’i Ghana ny ekipam-pirenena […]
Kitra – Ligy Boeny : hanomboka ny fiadiana ny amboara
Hotanterahina any amin’ny faritra Boeny, ny 11 novambra hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboara, ligy Boeny, taranja Baolina kitra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana izany, ny 4 novambra lasa teo. Mitondra ny anarana hoe “Alidy Group 2023” ity fifaninanana ity. Miisa 16 ireo mpandray anjara […]
«Ligue des Champions 2024» : hanala vela amin’ny Arsenal ny Seville FC
Hotanterahina anio, ny lalao miverina amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny vondrona « B » amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) 2024 ». Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Arsenal FC, ekipa Anglisy, sy ny Seville FC, klioba Espaniola. Hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Emirates Angleterre ity fihaonana ity. […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara : hifanintsana ireo ekipa ao amin’ny Top 12
Hiditra amin’ny fanatontosana ny amboaran’i Madagasikara indray ny Malagasy Rugby. Fihaonana hamaranana ny taom-pilalaovana 2023. Hiatrika sy hiady izay hahazo izany ireo ekipa ao anatin’ny “Top 12”. Hivory amin’izay, hanohizana ny fandaharam-potoana eo amin’ny famaranana ny taom-pilalaovana 2023, ny zoma ho avy izao, ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Malagasy Rugby. […]




