Notolorana solosaina sy imprimante ireo fitaleavam-paritra ara-pahasalamana misitraka ny tetikasa « Fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony », andiany faharoa na Fafy2. Handray anjara amin’ny fanangonana ireo toro mahakasika ny tetikasa hanamorana ny drafitra sy ny fanombanana ny tolotra ara-pahasalamana any amin’ny faritra ny fampitaovana. Manentana amin’ny fambolen-kazo ifotony ny Graine de Vie. Mitohy […]
Auteur/autrice : Adnews
Nandritra ny taona 2022 : 45 245 ny olona voan’ny raboka notsaboina
Nanao tatitra ny fandraisana ireo mararin’ny raboka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny taona 2022. Fantatra fa nahatratra 45 245 ireo marary noraisina an-tanana manerana ny Nosy tamin’ny taon-dasa, tamin’ireo tobim-pahasalamana misahana ny aretina raboka. Maimaimpoana hatrany ny fikarakarana ny marary manomboka amin’ny fizaham-pahasalamana, mandalo amin’ny fitiliana sy ny fitarafana ary […]
Fahasalamana : olona 1 amin’ny 2 no voan’ny diabeta
Fitiliana diabeta maimaimpoana, ny 13 sy ny 14 novambra, hatao eny amin’ny Amadia Faravohitra, no hanamarihan’ny Amadia ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta. Araka ny fantatra, olona 1 amin’ny 2 maneran-tany no voan’ny diabeta nefa mbola tsy tonga saina amin’izany. Manohy ny andavanandrom-piainany ary tsy misy fitandremana. Noho izany, ilaina […]
Psycho-social : ilana fitsaboana ny fikorontanan-tsaina
Manampy ny fikarakarana ataon’ny mpitsabo ny fahasalaman’ny saina eny amin’ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana manome fanafody ny fanarenana psycho-social. «Fandraisana an-tanana, ainga vao ary fanentanana ho an’ireo olona miaina fikorontanana sy tsy fahasalaman’ny saina izany », hoy ny psychiatre, mpikambana ao amin’ny Association Psy-kôzy Madagasikara, dokotera Razafindralambo Kiady Rivo, omaly, teny […]
TARATRY ny KANTO
“Convergence”, eny amin’ny Mozaïk Antsahabe. Fampirantiana zavakanto iombonana izy ity, izay nisokatra omaly ka haharitra hatramin’ny 7 desambra ho avy izao. Ho tazana mandritra izany ny sanganasan’ireo mpanao sary sy hosodoko. Aingam-panahy marolafy, havoaka amina endri-javakanto maro karazana koa no mamoaka ny lohahevitra iombonan’ireto mpanakanto ireto. Rehefa tsy tazana elaela […]




