Auteur/autrice : Adnews

Fampivoarana ny toeram-ponenana : mahazaka rivodoza sy horohorontany ny fanorenana avy amin’ny polystyrène

Efa miha mivoatra hatrany ny fanamboarana sy fanorenana trano fonenena maneran-tany. Anisan’ny taotrano mahaliana ny ankamaroan’ny olona, ny fanorenana mampiasa ny polystyrène. Iray amin’ireo vinam-panavaozana ny toeram-ponenana eto Madagasi­kara ny fanorenana trano sa­haza ny sokajin’olona sy ma­maly ny filàny. Hatramin’ izay, biriky sy “parpaing” foana ny akora fototra nahazatra ny rehetra eo amin’ny fanorenana trano sy fotodrafitrasa. Mitondra vahaolana amin’ny alalan’ny teknika vaovao sy moderina amin’ny […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Veloma hatreo ny tsy fananana asa…”

Nihazo ny any Atsinanana indray ny kandidà Rajoelina Andry, omaly. Anisan’izany ny tao Moramanga sy Brickaville. Nambarany fa hametrahana faritra indostrialy lehibe any an-toerana, ahitana orinasa afakaba , ho voavatsy herinaratra. “Ho veloma hatreo ny tsy fananana asa ho an’ny tanora. Hiasa mafy isika ahazoan’izy ireo asa. Efa miainga isika […]

FANTINA sy FINTINA

Nidina an-dalambe nanentana ny rehetra hampaneno sarom-bilany sy kiririoka ny Hetsiky ny firaisamonim-pirenena, omaly tamin’ny 12 ora atoandro, teto an-drenivohitra. Nambaran’izy ireo fa fanehoana antso sy taraina izany. Hitohy etsy Antsonjombe indray ny hetsiky ny kandidà 10, anio. Tsy hisy ny diabe tahaka ny mahazatra fa hifamotoana avy hatrany eny […]

Baomba be !

  Nilatsaka ny vaovao efa nampoizina, omaly! Vaovao baomba be! Voatendry ho filoham-panjakana mpisolo toerana ny jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy nahataitra ho an’ny efa mpamaky raharaha politika. Tohin’ny lojika amin’ny kajikajin’ny mpiantsehatra hatrany am-boalohany izany raha vao nanomboka niely ny feo fa hirotsaka ho kandidà ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry. […]

Fanapahan’ny HCC : filoham-panjakana vonjimaika Ravalomanana Richard

Navoakan’ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny fanapahana amin’ny maha filoham-panjakana vonjimaika ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nilatsaka ny fanapahana avy etsy Ambohidahy momba ny fitantanana ny firenena ka nametrahana ny filohan’ny Antenimierando­ho­lona, ny Jly Ravalomanana Richard, ho filoham-panjakana mpisolo toerana. Hisahana izany andraikitra […]