Zo fototra ho an’ny isam-batan’olona ny hahazo fitsaboana sy torohevitra hisorohana ny valanaretina. Manatanteraka ny fahazoana izany zo izany ny fikambanana mpitsabo misehatra any amin’ny toerana tsy tongan’ny fiarakodia ary miasa maimaimpoana. Nanainga omaly ho any amin’ny kaominina Ambatonikolahy, distrikan’i Betafo ny mpitsabo sy mpikambana ao anatin’ny Malagasy ‘s Healers […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Ady hiragasy etsy Ampefiloha. Mitohy hatrany ny fihaonan’ny mpiangaly sy mpankafy hiragasy, etsy amin’ny Kianja Ampefiloha. Hifandona ny alahady izao ny tropy Ramanamahefa avy any Antaninandro sy Rakotomandimby Jean Pierre avy any Morarano Gara. Maimaimpoana hatrany izany, saingy entanina kosa ireo mpankafy fa misy ny rakitra hotatazana ho an’ireo mpanakanto. […]
«Festival des livres Thrillers» : hiaka-tsehatra ny haikanton’i Avelo Nidor
Tanterahina anio, eny amin’ ny Alliance française d’An-tananarivo (Aft Andavamamba), ny teatra hanehoana an-tsehatra ny “Tononkira fananganana amin’ny maty”, nosoratan’i Avelo Nidor. Tafiditra ao anatin’ny «Festival des livres Thrillers» andiany faharoa izy ity. Voafidy manokana amin’ izao hetsika lehibe izao ity asa soratr’i Avelo Nidor ity, noho ny maha piesy […]
Henri Ratsimbazafy : hiaka-tsehatra farany any Frantsa
Tsy mbola hitsahatra amin’ ny fiakarana an-tsehatra i Henri Ratsimbazafy. Eny, na dia efa an-taonany maro aza izy no nanambara izany, mbola mahavita ka manome fahafaham-po hatrany ireo mpankafy ity andrarezin’ny mozika ity. «Mamy indray ny miaina», hoy izy anatin’ny hirany, ary izay ihany koa no nentin’i Henri Ratsimbazafy nanamarihany […]
Havàtsa-Upem – Loloniala : nivoaka ny boky «Felan-tatamo: Ny Taniko, ny Teniko, ireo Tiako»
Mifarana, anio, ilay hetsika « Herinandron’ny Havàtsa-Upem » 2023. Anisan’ny nisongadina teny amin’ny Tranombokim-pirenena ny fivoahana boky. Iray amin’ireny ilay mirakitra ny sanganasan’i Loloniala. Nandritra ny «Herinandron’ny Havàtsa-Upem» 2023 no nanehoan’i Loloniala Anna Raherimanantsoa-Rakotomahandry (solonanarana : Loloniala) ny fivoahan’ny boky «Felan-tatamo : Ny Taniko, ny Teniko, ireo Tiako», mirakitra tononkalo 20. Mizara telo […]




