Manomboka izao, hatao ho anisan’ny taranja hifaninanana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), ny “lutte Greco-romaine”. Tonga nanome fahalalana fototra momba izany, i Hassli Alain Georges. Nanomboka ny alatsinainy teo, hatramin’ny rahampitso alakamisy, ny fiofanana eo amin’ny «lutte Greco-romaine», tarihin’ilay frantsay manampahaizana, i Hassli Alain Georges, mpanazatra ny ekipa frantsay […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampianarana teknika : nankatoavina ny fiofanana omen’ny SAYNA
Ahafahan’ny rehetra, indrindra ny tanora, misitraka fanabeazana niomerika ampitain-davitra, hiara-hiasa indray ny Orange Madagascar sy ny Sayna efa matihanina amin’ny fanofanana niomerika sy asa mifandraika amin’izany. Natokana hamaly ny tsenan’ny asa ny fiofanana vaovao dimy amin’ny sarany zakan’ny tanora ary miaraka amin’ny mpampianatra matihanina iraisam-pirenena. « Vinavinaina hahasarika tanora hatramin’ny 30 000 […]
INDRAY MIJERY
Nolaniana ny taona 2018 ny fankatoavana ny fahaiza-manao (VAE), rafitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Faritra efatra no nanaovana ny dingana andrana, ny taona 2021, amin’ny sehatrasa dimy: fizahantany sy fandraisam-bahiny ary fampisakafoanana, taotrano sy ny asa vaventy, ny zaitra sy ny kojakoja. 86 ireo […]
VANIM-POTOANA MAFANA : mila mailo amin’ny fihinanana hazandranomasina
Fotoana hifantenana tsara ny karazana handranomasina hohanina ny vanim-potoana mafana toy izao. Mahafaty ny sasany amin’izy ireny ka mila mailo. Notanterahina tamina toerana maromaro ny atrikasa mahakasika ny fanentanana sy fandraisana an-tanana ara-pahasalamana vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo avy amin’ny fihinanana hazandranomasina. Nisitraka izany ireo mpiasan’ny fahasalamana tany Mananjary sy Nosy […]
TARATRY ny KANTO
Hitafa amin’ireo mpankafy literatiora i Riva. Etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy no hatao ny fihaonana, hiresadresahana mahakasika ny literatiora amin’ny ankapobeny sy ny sanganasan’i Riva manokana. Tafiditra anatin’ireo fandaharam-potoana anatin’ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray” izy ity. “Madagascourt Film Festival”. Horonantsary miisa 38 tamin’ireo 163 nisafidianana no voafantina ho amin’ny «Madagascourt […]




