Auteur/autrice : Adnews

Trail de Maurice : Lasan’i Hajanirina ny medaly volamena

Norombahin’i Hajanirina, atletan’ny Crown Vakinanka­ratra, ny laharana voalohany sy ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Maurice tamin’ny hazakazaka anaty natiora na ny Trail, ho an’ny halaviran-dalana 32 km. Fifaninanana nokarakarain’ny ligy any an-toerana, ny sabotsy 28 marsa lasa teo. Notarihiny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hazakazaka. […]

Lalao ara-pirahalahiana Fifa: Nisaraka ady sahala tamin’i Guinée Equatoriale ny Barea

Fandresena sy sahala no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tany Turquie. Mety hijanona eo amin’ny laharana faha-104 ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy nisy ny nivoaka mpandresy! Nisaraka ady sa­hala tamin’ny isa 1 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara sy ny Nzalang Nacional Guinée Equatoriale, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay natao, omaly, tao […]

Fanohanana ny fahafaha-miarina: Nizarana tohana ny tokantrano 1 200 tao Ambatondrazaka

Novatsian’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny BNGRC, fanafody ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Alaotra Mangoro. Fa­nafody 126 baoritra no natolotra, tamin’izany, nahitana karazam-panafody hitsaboana ny tazo, antibiotique, antidiabétique, vitamine… miaraka amin’ ny fitaovam-pi­tsaboana maro. Tonga teny amin’ireo to­kantrano miisa 1 200 tena marefo ao amin’ny kaominina Ambonivohitr’Ambatondrazaka, Feramanga Avaratra, Ambandrika, distrikan’Amba­tondrazaka, ny fiandohan’ny […]

Zo sy fahasalamana ara-pananahana: Betsaka ireo tsy mahafantatra ny lalàna lah. 2017- 043

Notanterahina tany Toliara, ny volana marsa lasa teo, ny hetsika faobe fampahafantarana ny lalàna laharana 2027- 043 momba ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindrana fiainam-pianakaviana. Ny Ipas Afrique Francophone sy ny Réseau parlementaire national pour la justice reproductive no nifarimbona tamin’ny fikarakarana. Tsapa nandritra ny fidinana tany Toliara fa maro ny […]