Auteur/autrice : Adnews

SIH 2023 : hisongadina ny fanorenan-trano mitsinjo ny tontolo iainana

Nisokatra omaly, eny amin’ny Zone Forello Expo Tanjombato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny trano fonenana (SIH). Hampiavaka amin’ity andiany faha-25 ity ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Maherin’ny 120 ny mpandray anjara eny amin’ny SIH 2023, ahitana ireo mpisehatra samihafa amin’ny lafiny fanorenana, indrindra ny trano fonenana, toy ny mpamokatra akora fototra, ny mpamatsy kojakoja, ny orinasa matihanina […]

Tetikasa Fiovana : hanatsarana ny fanjarian-tsakafo any Atsimo Atsinanana

Mifototra amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny tetikasa “Fiovana” izay va­tsian’ny USAID Madagasikara ary tanterahin’ny Adra. To­kantrano 71 476 no kendrena amin’izany. Tamin’ity volana oktobra ity, mpikambana 120 avy amin’ireo vondron’ny anaka amin-dreny (M2M) napetraky ny tetikasa “Fiovana” eny amin’ireo fiarahamonina iasany no nahazo fiofanana momba […]

Logos Hope : ho avy ao Antsiranana

Hijanona ao Antsiranana ny tranomboky mitsingevana lehibe indrindra maneran-tany, Logos Hope, manomboka ny 27 oktobra ka hatramin’ny 12 novambra ho avy izao. Hisokatra ho an’ny rehetra mandritra io fotoana io ny tranomboky. Maherin’ny 5 000 ny boky haranty sy hamidy amin’ny vidiny mirary ho an’ny mpitsidika. Hita ao avokoa ireo […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny fisokafan’ny fiofanana nasionaly na ny concours d’entrée à l’internat qualifiant en médecine, amin’ity taona 2023 ity. Mpianatra ho mpitsabo miisa 60 no kendrena horaisina amin’izany. Ny 50 amin’izany dia sivily ary ny 10 kosa dia miaramila. Nahazo fitaovam-pianarana, ahitana kahie, penina, aronakanjo […]

Faritry ny oniversiten’Antananarivo : tsy azo anaovana hetsika politika eny an-toerana

Matetika no tsy voahaja ny “franchise universitaire” fa izay vao nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo izay manameloka ny fanaovana hetsika politika anatin’ny faritry ny oniversite. Nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniver­siten’Antananarivo, ny alarobia lasa teo, fa toerana natokana ho an’ny fampianarana sy fikarohana ny oni­vesiten’Antananarivo ary manana “franchise universitaire” […]