« Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza”, hoy ny ohabolana malagasy. Eo amin’ny lamina voajanahary indray: “izay ananana ihany no omena”. Nisy nitazona ary ve ny fahendrena malagasy? Ny zaza malagasy, tsy manaja mpampianatra. Ny tanora, manivaiva raiamandreny. Ny olon-dehibe, tsy mifanome hasina, sns. Ka izay ananany ihany ange no omeny […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Basikety N1A. Niady tanteraka ny lalao nifanandrinan’ny TGBC Betsiboka sy ny SBC Vakinankaratra, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana nasionaly N1A, sokajy lehilahy. Isa 69 no ho 67 no nahazoan’ny TGBC ny fandresena. Nahazo fandresena ihany koa ny GNBC Analamanga sy Ascut Atsinanana. Hotanterahina eto Antananarivo manomboka ny 30 oktobra – […]
Basikety-Heritiana Mickael : hanohy fianarana sy basikety any Etazonia
Tsy mitsahatra misondrotra hatrany ireo Malagasy mpilalao, eo amin’ny taranja basikety. Taorian-dRabibisoa Jerry Pépin, anjaran’i Heritiana Fabrizio Mickael na i Mickakely indray izao no hisidina any ivelany. Hanohy ny fianarany any Etazonia ity Malagasy mbola tanora ity ary hanohy hilalao ny basikety ihany koa. Ao amin’ny Downey Christian School ao […]
Tsipy kanetibe : hofantatra tsy ho ela ireo mpilalao Junior
Ho fantatra amin’ny faran’ny volana oktobra ho avy izao ny anaran’ireo Malagasy mpilalao efatra hiaro ny voninahi-pirenena malagasy mandritra ny Mondial 2023, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana maneran-tany izay atao any Bangkok Thailande, ny 23-26 novambra ho avy izao. Ny sokajy “senior” vehivavy sy ny “Junior”, sokajy lehilahy no manao izany […]
“Fifanintsanana Mondial” : Coach Rôrô no hitondra ny Barea
Mbola napetraka amin’ilay Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix, ny fahatokisana ny hitondrana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar A. Tontosa omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha vaovaon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred sy ny filoha teo aloha, Andrianony Victorien. Taorian’io lanonana io, fantatra fa […]




