Zava-pisotro fahatelo be mpisotro indrindra maneran-tany “1,5Milliard de tasse des cafés » no fisotron’ny olona isan’andro maneran-tany. Zava-pisotro fahatelo be mpisotro indrindra, aorian’ny rano sy ny dite izy io. Misotro kafe avokoa ny olon-drehetra, raha nanaovana fanadihadiana. Ilain’olona amin’ny fiainana andavanandro ny kafe. Misotro kafe indroa hatramin’ny indimy ny olona iray, raha nanontaniana. […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Miantso fahamailoan’ireo terataniny ny masoivohon’i Frantsa, araka ny fanambarana eo anivon’ny ambasady, omaly. “Aoka isika hanaraka hatrany ny toromarika omen’ny manampahefana ary hitandrina tanteraka rehefa mivoaka ny trano, indrindra ny eto an-drenivohitra”, hoy ny eo anivon’ny masoivoho Frantsay. Mitanila ny fanjakana, araka ny nambaran’ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Olom-pirenena tomponandraikitra, […]
Toe-draharaham-pirenena : miantso fifampiresahana maika ny Fiteva
Nivoaka amin’ny fahanginany ny Fikambanana ifanampian’ny terak’i Vakinankaratra (Fiteva). “Manainga am-panajana ireo mpanao politika izahay hiresaka sy hifanakalo hevitra mba hikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka. Tratra farany hatrany ny vahoaka noho ny adilahy”, hoy izy ireo tetsy Tsimbazaza, omaly. Niantso ny zanak’iny faritra iny ny Fiteva tsy ho tafiditra […]
Minia…Mania
Gaboraraka ny fiainam-pirenena tao anatin’ny roa herinandro. Toy ny tany tsy misy fanjakana i Madagasikara, indrindra ny teto an-drenivohitra. Tsy nisy niraharaha izay lalàna velona izany fa samy nitondra ny lohany. Nanao izay danin’ny kibony avokoa ny rehetra. Tsy madinika, tsy olo-maventy fa dia tsy nisy niraharaha izay rafi-panjakana izany. […]
Hetsika teny Itaosy : zaza roa safotry ny baomba mandatsa-dranomaso
Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso tetsy Itaosy nandritra ny hetsik’ireo kandidà 11 sy ny mpanara-dia azy, omaly. Nisy ireo torana sy naratra. Tamin’ny 12 ora sy 37 minitra katroka, nirefotra voalohany ny baomba mandatsa-dranomaso nataon’ny zandary nanao sakana tetsy Betavoahangy Itaosy, omaly. Niainga teo Antanikatsaka ireo kandidà 11 sy ny mpomba azy […]




