Manana ny lanjany eo amin’ny lafiny fitsinjarana ny tranombarotra lehibe Super U. Ahitana ny vokatra eto an-toerana sy avy any ivelany, manana ny kalitao tsara amin’ny vidiny mora. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly 18 oktobra, ny tranombarotra lehibe Super U eny Ivandry. An’ny Vondrona orinasa Habibo ity tranombarotra ity, miara-miombon’antoka amin’ny orinasa […]
Auteur/autrice : Adnews
CT Motors : mitsinjara ny vokatra “Hero”
Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny vondrona CT Motors fa mitsinjara ny marika Indiana fanta-daza “Hero” eto Madagasikara izy ireo, tetsy Andraharo, ny zoma 13 oktobra teo. Anisan’ny sangany eo amin’ny sehatra maneran-tany amin’ny famokarana kodiarandroa io marika io. Mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa eto an-toerana tanteraka ny moto vokarin’io orinasa io. […]
Centre d’enfant Mandrosoa : nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex
Nankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny foibe fanohanana an-tsekoly Mandrosoa na Centre d’enfant Mandrosoa eny Vontovorona, omaly. Nanotrona izany ireo olona maro efa nahazo tombontsoa, ny avy amin’ny ONG Yamuna ary ny kaosilin’i Espagne, Hasnaine Yavarhoussen. Nahazo mari-pankasitrahana amin’ny maha ray mpiahy ny ONG azy ny kaosilin’i Espagne. Notolorana ireo […]
Ady amin’ny kolikoly : mpanao gazety 120 nisitraka fiofanana
Tafakatra 120 ireo mpanao gazety efa nisitraka fiofanana niarahana tamin’ny komity mitandro ny fahitsiana (CSI), raha ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Monica Rasoloarison teny Amboanjobe-Andoharanofotsy, ny 11 oktobra lasa teo. Manoloana ny kolikoly izay tsy mety foana eny anivon’ny sampandraharaha maro isan-karazany amin’izao fotoana, mpanao gazety 17 avy […]
Fihantsiana sy fanapotehana fiara : nitory eny amin’ny zandary ny vondron’ny kandidà
Tsy nipetra-potsiny fa nitondra ny raharaha eny amin’ny mpitandro filaminana ny vondron’ireo kandidà 11. Nambaran’izy ireo, omaly, tetsy Antaninarenina, fa manameloka ny tranga niseho tetsy Andavamamba izy mirahalahy avy. Nitondra ny tenin’izy ireo tamin’izany ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo ka nilaza fa efa nametraka fitarainana eny amin’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena izy ireo, […]




