Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toetena varira eto Madagasikara izay tarihin’ny filohany, Soja Fulgence. Tsy mbola nahitam-bokany hatramin’ izao ny fakana an-keriny niseho tany amin’ny faritra Androy sy Menabe. Efa ho herinandro no nisian’ny tranga nefa tsy misy ny vokatra azon’ny mpitandro filaminana. Tanora 25 niofana ho mpitarika no nizarana […]
Auteur/autrice : Adnews
Vaksiny miaro amin’ny poliomelita : ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona
Nanomboka ny talata teo ary hifarana ny zoma ho avy izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina lefakozatra sady ady amin’ny aretina azo avy amin’ny tay miparitaka. Natokana ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona indray ny vaksiny amin’ity andiany ity. Voakasika avokoa ny faritra 23 ary nisy […]
Lycée sy CEG : Amerikanina roa hampianatra teny anglisy
Hiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara, ireo mpampianatra teny anglisy mianadahy misitraka ny vatsim-pianarana “Fullbright”, antsoina koa hoe ETA. Manaraka fiofanana maharitra efatra andro ao amin’ny masoivoho amerikanina ireto ETA vao tonga ireto mialohan’ny hanombohany ny fampianarana teny anglisy eny anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra sy lisea eto Antananarivo […]
Toerana saro-dalana : nanavotra vehivavy 1,4 tapitrisa ny fampiasana “drone”
Natao, omaly, teny Alarobia, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny UNFPA, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny BNGRC ary ny ONG Pivot hanitarana ny fanaterana fanafody amin’ny alalan’ny “drone” ho an’ny faritra dimy. Tao anatin’ny fito volana nampiasana “drone” hanaterana ny fanafody amin’ny toerana tena saro-dalana. Vehivavy 1,4 […]
TARATRY ny KANTO
« Ohabolana, kolo saina ho an’ny ankizy ». Tontosa omaly ny atrikasa vaky boky notontosain’ny mpanoratra Andrianimerina Hobiana. Nandritra izany ihany koa no nampahafantarany ny boky “Ohabolana, kolo saina ho an’ny ankizy”. Hitohy anio, eny amin’ny trano famakiam-bokin’ny boriborintany faharoa, eny Morarano, ity atrikasa ity. “Hay”. Anjaran’ny ankizy mpianatra ao amin’ny EPP […]




