Tontosa, afakomaly, nandritra ny fihaonamben’ny vondron’ ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tany Marrakech, Maroc ny fifanaovan-tsonia famatsiam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana eto Afrika (Badea) ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa “Fly Over” eny amin’ny Makis Andohatapenaka. Mitentina 31,5 tapitrisa dolara ny tetikasa […]
Auteur/autrice : Adnews
Tetikasa Folur : hifantoka amin’ny tontolo iainana sy ny famokarana
Hamerina amin’ny laoniny ireo ala simba sy hampiroborobo ny famokarana ary hanatsara ny fari-piainan’ny mponina hisorohana ny fanimbana ny tontolo iainana. Ireo ny teboka apetraky ny tetikasa “Folur”. Tanjona apetrak’i Madagasikara ny hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo anatin’ny fiarovana amin’ny fomba maharitra ny harena voajanahary. Hifantoka amin’izay indrindra ny tetikasa Folur […]
Antenimierandoholona: naongana tsy ho filoha Razafimahefa Herimanana
“Tsoahin’ny antoko TGV sy ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) ny fitokisana napetraka tamin-dRazafimahefa Herimanana”, hoy ny fanambaran’ny birao politikan’ny antoko TGV, tetsy Ivandry; omaly. Notsiahivin’i Pierre Houlder, fa natolotry ny antoko amin’io andraikiny io izy ka tokony ho modely amin’ny fanajana ny antoko, fa indrindra eo amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nivoaka ny efitrano fivoriana ny loholona MMM, Rakotondrainibe Ndriana, omaly, tetsy Anosikely. Tsy nanatrika ny fandatsaham-bato fanesorana ny filohan’ny Antenimierandoholona ny tenany. “Tsy manara-dalàna izany ary tsy azo ekena. Mahakasika ny antenimiera roa tonta no azo angatahana fivoriana tsy ara-potoana fa tsy ny anay irery fotsiny ihany”, hoy izy. Manjaka […]
Tompon-tanàna Hafa raha samy hafa mihitsy ny vahoaka malagasy ! Tsy misy olona mahari-pery sy mahazaka dona mihoatra azy angamba eto ambonin’ny tany. Miezaka ny mitarika sy mandrehitra ny afo ny kandidà 11, fa mbola mizara roa ny hevitra. Tsy vitan’izay fa manana ny antony mbola hidinana an-dalambe izy rehetra. Samy […]




