Auteur/autrice : Adnews

Nangalatra zaza menavava : Naiditra am-ponja ilay vehivavy tompon’antoka

Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha hala-jaza tany Antanambao, fokontany Ankaraobato Amborovy, Ma­hajanga, ny herinandro teo. Naiditra vonjimaika am-ponja, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ilay vehivavy tompon’antoka, taorian’izay. Tsia­hivina fa nangalatra zaza menavava vao enina andro monja, tany Ankaraobato Am­borovy, ny marain’ny zoma 27 marsa lasa teo ity farany. Nokasainy hoentina tany […]

Nitondra antsy sy sabatra : Jiolahy roa mpanafika tratry ny polisy

Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena tao Tanambao Verrerie, Toamasina, ny alin’ny alahady 29 marsa 2026, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nanafika sy nanendaka olona mpandalo tany an-toerana ny andian-jiolahy nirongo antsy sy sabatra. Voaroba, tamin’izany, ny entana rehetra teny amin’ilay lasibatra. Mbola noratrain’izy ireo tamin’ny zava-maranitra ihany koa ilay mpandalo. […]

Namonjy kabone vao maraina: mpianaka niara-maty voatsatoka antsy

Voafira antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray, omaly maraina, tao Marofinaritra. Voatsatoka antsy indroa ny zanany vavy. Vokany, maty avokoa izy mianaka. Nitrangana habibiana nataon’olon-tsy fantatra tao amin’ny tanànan’i Marofinaritra, kaominina Ma­nanjary, omaly maraina. Nia­ra-namoy ny ainy tamin’ny zanany vao dimy taona monja ny renim-pianakaviana iray, tokony ho 43 […]

Salon du Chocolat et de la Gourmandise : Nahafa-po ny mpitsidika

Nanentoento ny fofona Chocolat tetsy amin’ny Carl­ton Anosy, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny “Salon du chocolat et de la gourmandise », andiany faha-8. Hetsika nokarakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG). Na­hafa-po ny maro ny fitsidihana ireo tranoheva, nanomboka ny maraina hatramin’ny hariva nifaranan’izany. Ani­san’ny nahasarika azy ireo ny fankafizana ny tontolon’ny […]

Takaitran’i Gezani : Mitohy ny fanampiana ataon’ny vadin’ny filoha

Naneho firaisankina amin’ny mponin’i Toamasina, noho ny takaitran’ny rivodoza Gezani, ny vadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Elisa. Notanterahina ny herinandro teo, ny fizarana izany. Tonga tany an-toerana ny iraky ny vadin’ny Filo­ham-panjakana, tamin’ny alalan’ny mpandrindra, ny Pr Koto Bernard sy ny lehiben’ny kabinetra ay ireo mpiara-miasa amin’ny vadin’ny filoha. Nitondra fanampiana ho […]