Auteur/autrice : Adnews

Taom-piotazana jirofo: maherin’ny 4 000 t ny vokatra

Nisokatra nanomboka omaly ny taom-piotazana jirofo ho an’ny taona 2023-2024. Nisy ny lamina napetraka sy atri­kasa niarahana tamin’ireo tomponandraikitra sy avy ao amin’ny distirkan’i Vangaindrano, ny herinandro lasa teo. « Vinavinaina ho tsara ny vokatra jirofo amin’ity taom-piotazana ity satria maherin’ny 4.000 t izany. Vokatra tsara kalitao sy afaka miatrika ny […]

Akon’ny lalaon’ny Nosy 2023: tafakatra 24.000 mpizahatany tonga teto Madagasikara

Herijika ho an’ny sehatry ny fizahantany ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara farany teo. Tsara ny vokatra ho an’ireo mpiantsehatra rehetra saingy mbola betsaka ny tokony hatsaraina. Tombony tamin’ny sehatry ny toekarena sy ny fizahantany ny fandraisan’i Mada­gasikara ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Tamin’ny volana aogositra teo, nahatratra 24 000 […]

VAOVAO TAMBATRA

Tratra nangalatra herinaratry ny Jirama ny tokantrano iray eny Ambohijatovo Ambony, omaly alatsinainy. Maromaro ireo efa tratra ny herinandro teo, toy ny mpanamboatra kodiarana eny Anosizato, ny masinin-kazo iray eny Antohomadinika, sy ny hafa. Mampandre ny mponina ny Jirama, ho sahy hitoroka amin’ny laharana 547, izay mijanona ho tsiambaratelo ny […]

Miverina tsikelikely ny famatsian-drano: Vita ilay milina simba eny Mandroseza

Mampahafantatra ny besinimaro ny Jirama fa tontosa omaly alatsinainy, ny fanamboarana ny milina « électropompe » laharana faha-7, nam­pikorontana ny famatsian-drano tamin’ny toerana maro teto an-drenivohitra. Efa miverina tsikelikely ny famatsiana, saingy mila mandray fepetra ny mpanjifa. Alefa mandritra ny fotoana fohy ny paompin-drano sy ny « robinet », mandrapaha-madio azy, satria mety mbola […]

Fampandrosoana maharitra -ONU: Ny 15%-n’ireo tanjon’ny ODD monja no tratra

Tsy ho tratra ny tanjona miisa 17 napetraky ny Firenena mikambana, ho an’ny fampandrosoana maharitra maneran-tany (ODD). Tena voakasik’ izany ny firenena andalam-pandrosoana. Anisan’ny lohahevitra lehibe dinihina mandritra ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, ny 19 hatramin’ny 23 septambra izao, ny tombana mahakasika ny Tanjona ho an’ny fampandrosoana […]