Miara-miasa ny Fondation Akbaraly sy ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety amin’ ny fanamarihana ny “Volana iadiana amin’ny homamiadan’ny nono”, amin’ny volana oktobra ho avy izao. Misy ny hetsika iarahan’ny roa tonta ka manokatra izany ny fitiliana. Natokana ho an’ny vehivavy ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza hatao maimaimpoana eny amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Akanin’ny zaza kamboty : notolorana fitaovam-pianarana
Nitondra fitaovam-pianarana ho an’ny akany fitaizana zaza kamboty sahanin’ny Zandarimariam-pirenena eny Arivonimamo ny masoivoho amerikanina, omaly. Tonga mivantana ny mpanolotsaina voalohany, Stephanie Arnold, sy ny ekipan’ity masoivoho ity. Miisa 80 izy ireo no notolorana fitaovana hiatrehana ny taom-pianarana. Ho fanomezam-boninahitra ireo zandary namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany, nisolo […]
Fiompiana bibikely : azo ahodina ho sakafon’olombelona sy biby fiompy
Seha-pihariana tsy mbola tena be mpahafantatra kanefa azo trandrahina ny famokarana ireo karazana bibikely (insectes) ho tonga sakafon’ny olombelona sy ny biby fiompy. Manankarena proteina izy ireny. Tanterahina eny Tanjombato, ny 23 septambra izao, mandritra ny « Foara iraisam-pirenen’ny fambolena » (FIA), ny fihaonambe iresahana mikasika ireo karazana bibikely azo avadika ho […]
Akoranafo: ampy ny tahirin-tsolika manerana ny Nosy
Ampy hiatrehana ny filana ny solika eto Madagasikara. Tombanana ho tonga afaka 20 andro ao Toamasina, ny sambo lehibe iray mitondra izany, raha andrasana 35 andro izany teo aloha, araka ny tatitra navoakan’ny Ofisy malagasin’ny akoranafo (OMH), ny zoma teo. Nambarany fa tonga tao Toamasina, ny 9 septambra teo, ny […]
Tsenaben’ny tantsaha: hiompana amin’ny famokarana mitodika amin’ny tsena
Hotontosaina ny 28, 29,30 septambra ka hatramin’ny 1 oktobra izao ny tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, andiany faha-15, “Foire de l’élevage, de la pêche et de l’agriculture, FEPA”. Hetsika karakarain’ny Malagasy professionnels de l’élevage (MPE) etsy Nanisana. Hisongadina mandritra ireo fotoana ireo ny vokatr’ireo seha-pihariana ireo sy […]




