Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny governemanta ifarimbonana natrehin’ny mpikambana vitsivitsy, notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ireo Ambasadaoro avy amin’ny firenena mivondrona ao anatin’ny G7, nahitana an’i Soisa, Etazonia, Frantsa, Japon, Royaume-Uni, ny Vondrona eoropeanina ary i Allemagne. Tsy nisy nipika ny resaka nifanaovana, izay naharitra ora roa. Miantso ny vahoaka malagasy […]

Minisitra Rivotiana Richard Jean Bosco: “Aleo ny vahoaka hifidy amim-pomba demokratika”

“Tsotra ny angatahiko ary mba tsy hisian’ny olana eto amintsika: aleo ny vahoaka malagasy mivantana, na amin’ny alalan’ny demokrasia mivantana, handatsa-bato izay hofidiny ho filohan’ny Repoblika”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, i Rivotiana Richard Jean Bosco, manoloana ny toe-draharaham-pirenena […]

Lalan-tokana !

  Miova indray ny vontoatin-tserasera voizin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Antoko, fikambanana, firaisamonim-pirenena, mpanao politika tsotra dia miray feo amin’izato mety ho fisian’ny korontana. Zary hirahiraina sy atao fitaovana hampitarazoka fifidianana. Ny an’ny sasany aza toa lasa biby fampitahorana, tsy hay mazava ny tanjona hotratrarina sy ny kajikajy […]

Andrianarisedo Dama, filohan’ny Ceni : “Tsy sakana amin’ny fifidianana ny adihevitra politika”

Miroso amin’ny fanatanterahana ny dingana rehetra ilaina amin’ny fifidianana ny Ceni. Nihaona tamin’ny solontenan’ny kandidà izy ireo, omaly. «Ampirisihinay ny ha­hitan’ireo kandidà vahaolana amin’ny lafiny politika», hoy ny filo­han’ny Ceni, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, oma­ly, momba ny fiatrehana fifidianana. Tsy sakana amin’ny fikarakarana fifidianana ny adihevitra politika. “Sarotiny izahay […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja afakomaly ireo jiolahy tratra nanen­daka tao Toamasina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tao Bazaribe no nahitana azy roa lahy ireto somary hafahafa fihetsika. Nitsoaka avy hatrany izy ireo raha vao nahatazana ny polisy. Tsy lasa lavitra anefa ry zalahy dia tratra. Mbola hita tany aminy ny finday halatra […]