Auteur/autrice : Adnews

Lalaon’ny Nosy 2023: nomena 5 tapitrisa Ar ireo nahazo medaly volamena

Taorian’ny lalaon’ny Nosy, izay natao teto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo, nanolotra vola ho an’ny atleta ny filoham-pirenena. Araka ny efa nampanantenain’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, tetsy Mahamasina, ny volana aogositra lasa teo, nomeny filoha 5 tapitrisa Ar avy ireo Malagasy atleta nahazo medaly volamena. Notanterahina […]

Kianjan’Alarobia: hotantanan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma

Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha, nomena ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny fitantananana ny kianjan’Alarobia. Nasiana fanamboarana avokoa ny efitrano fidiovana, ny fisoloana akanjo “vestiaire”, ny trano fandraisam-bahiny ” Salle VIP”. Tsiahivina fa nahazo medaly 40  ny taranja atletisma, nandritra ny lalaon’ny Nosy izay […]

Sombim-baovao

Ho ezahina hampidirina ao anatin’ny sata mifehy ny fanatanjahantena eto an-toerana ny resaka matihanina. Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha. Natao hifantohan’izy ireo amin’ny resaka fanatanjahantena sy ho fampivoarana izany no anton’ity vina ity. Hotanterahina any Mahajanga sy Antsirabe, ny 15-24 septambra ho avy […]

Antoko TGV/Mapar: miantso ny haha kandidà ny filoha Rajoelina ny kongresy

Mirona mankany amin’ny fangatahana ny ho firotsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Andry Rajoelina, ny kongresy nasionalin’ny TGV/ Mapar, eny amin ‘ny CCI Ivato. Nanomboka omaly izany, ary hampahafantarina anio ny fehinkevitra. Tonga maro, naneho ny heriny teny an-toerana ireo mpikatroka rehetra, hatreny ifotony manerana ny Nosy ka hatramin’ireo mpitantana, eo anivon’ny birao […]

Ceni: “Mazava ny voalazan’ny lalàna “

“Voalazan’ny lalàna fa manan-jo hanatona fitsarana ireo nisoratra anarana tamin’ny takelaka fanisana mpifidy, nefa tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana“, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Ny fitsarana ihany no afa-mamoaka didy hampidirana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana efa nofaranana. Heverin’ny Ceni fa tsy mifanohitra amin’ny lalàna raha izy no […]