Ny alarobia teo no tafaverina an-tanindrazana ny Barea de Madagascar, taorian’ny fiatrehany ny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, natao tany Maroc, ny zoma 11 sy ny alatsinainy 14 oktobra lasa teo, ao amin’ny vondrona “A”. Hatreto, tsy mbola misy nahazo ny tapakila hiatrehina izany […]
Fanatajahantena
Basikety –“Road To Bal” : mora ho an’ny GNBC ny nandresy ny BVH Seychelle
Nahazo fandresena faharoa, nandritra ny fifaninanana “Road to ball”, taranja basikety, ny Gendarmerie nationale basket-ball club (GNBC), omaly, tany Tanzanie. Resin’ny GNBC, 98 no ho 72 , ny BVH avy atsy Seychelles. Mitohy vakana ny fahombiazana ho an’ny ekipan’ny zandary GNBC, omaly, tamin’ny fifanintsanana taranja basikety, “Road To Bal”, sokajy […]
SOMBIM-BAOVAO
Raha ady sahala ny lalaon’i Comores sy i Gambie, eo amin’ny andro fahefatry ny ady tapakila amin’ny «Can Maroc 2025», ka mandresy amin’ireo lalao roa farany ny Barea, dia tafita amin’ny Can indray i Madagasikara. Tsiahivina fa i Tunisie sy i Comores no miandry azy ireo. Nosoloin’ny AS Ste Anne […]
Beach -volley-Faritra fahafito : hampiantrano ny fifaninanana i Madagasikara
Nampahafatarin’ny Federasiona malagasin’ny taranja volley-ball (FMVB), omaly, tetsy amin’ny Telma Andraharo, fa hampiantrano ny fihodinana faharoa ny fifaninanana afrikanina, taranja volley ambony torapasika «beach-volley», aty amin’ny faritra fahafito, i Madagasikara. Fifanintsanana izay hotanterahina any Mahajanga, ny 27 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao, ary ny sokajy Senior, lahy sy vavy, […]
Cosafa – Barea vavy : misy mpilalao mpilaravinahitra enina
Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny Barea, vehivavy. Miisa 23 mirahavavy izy ireo no nantsoin’i Portez l’Hydrensia sy Ramiaramanana Haingomalala Ninette, mpanazatra ny ekipa nasionaly, ka ny enina amin’izy ireo dia milaravinahitra any ivelany avokoa. Ahitana mpilalao mifanintsana any Comores, […]