Fanatajahantena

Basikety – « Road To Bal » : lavon’ny GNBC ny JKT Tanzania, mpampiantrano

Nahazo vokatra tsara nandritra ny fifaninanana “Road to ball”, taranja basikety, izay nanomboka omaly, tany Tanzania, ny Gendarmerie nationale basket-ball club (GNBC). Lavon’ny GNBC, 89 no ho72, ny JKT. Tsara fanombohana ny ekipan’ny zandary GNBC, omaly, tamin’ity fifanin­tsanana taranja basikety, “Road To Bal”, izay tontosaina any Tanzanie, ity. Lavon’izy ireo, […]

Baolina kitra-GTA : 20 tapitrisa Ariary ho an’izay tompondaka

Notanterahina teny Ando­haranofotsy, omaly, ny antsapaka hahafantarana ireo klioba izay ho mpiray vondrona amin’ ny fifaninanana goavana eto Antananarivo (GTA). Lalao hanomboka ny sabotsy 19 oktobra hatramin’ny 3 no­vam­bra. Nambaran-dRa­kotoari­manana Henintsoa na i Maitre Tôta, filoha mpikarakara ny fifanintsanana, fa toy ny tamin’ ny taon-dasa ihany ny vola azon’ny mpandresy, […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy afaka milalao i Sony Laiton, mpiandry tsatoby an’ny Barea de M/car, amin’ny andro fahadimy hikatrohana amin’i Tunisie sy ny andro fahenina hifan­donana amin’i Comores. Noho ny karatra mavo indroa azony nandritra ny fihaonana teo aloha ny anton’izany. Mety hisolo ny toerany izany, i Teva na i Nina. Taorian’ny fahavitan’ny […]

Karting : hiditra amin’ny dingana fahefatra

Hotanterahina ny alahady 20 oktobra ho avy izao, eny amin’ny “circuit international” Imerintsiatosika ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny karting «4è Grand Prix de Mada 2024». Fifaninanana, karakarain’ny klioba Serana Racing Kart. Misokatra ho an’ireo mpifaninana rehetra manana ny kara-pilalaovana karting FSAM, voamarin’ny federasiona sy ireo mpanamory […]

Basikety – Road to ball: hidona amin’i Tanzanie anio ny ekipan’ny zandary

Hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny Road to ball, taranja basikety, manomboka anio ny Gendarmerie Nationale Basket-ball Club (GNBC). Hidona amin’i Tanzanie, mpampiantrano ny mpilalaon’ny zandary, eo amin’ny fanombo­han’ity fifaninanana afrikanina ity. Hanomboka amin’ity alakamisy ity, ao amin’ny kianja mitafon’i Dar-Es-Salam ao Tanzanie ny Road to ball, taranja basikety. Dingana voalohany amin’ny […]