Mbola ambentin-dresaka hatramin’ny androany ny Barea de Madagascar. Hiaka-tsehatra indray ry zalahy, anio. Ho fantatra eo ny ho tohin’ny lalana na ho tratra ny tanjona na ho rendrika ny sambo. Be izay voalaza izay, mbola misy koa anefa ny sisa. Ka andeha atao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana. Tsy fotoanan’ny […]
Fanatajahantena
Ping-Pong: Klioba zandriny saingy sangany ny Challengers
Tsy mitsahatra ny mivoatra ny klioba Challengers eo amin’ny tontolon’ny ping-pong eto an-toerana. Vao 8 volana nitsanganana, efa nahavita dingana goavana. Namoaka mpilalao nandrombaka ny tompondakan’i Afrika Atsinanana 2024 izy ireo. Miroborobo ny fananganana ekipa eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Anisan’ireny ny Challengers eo amin’ny taranja Ping-pong. Klioba mifaninana ao […]
Sombim-baovao
Hatao ny 23 novambra izao, eny amin’ny Henri Fraise Ankorondrano, ny fifaninanana Tournament, -71 kg sy -60 kg, taranja Muay Thaï. Mety hisy ihany koa ny ady ho an’ny sokajy maherin’ny 100kg raha ny fandaharam-potoana efa heno. Nitohy ny faran’ny herinandro teo, rehefa nisy fiatoana kely, ny fifaninanana “Fety de […]
“Youth Camp 2024”: efa any Cameroun i Yvan sy i Ulrick
Efa nigadona any Douala Cameroun, omaly, ny Malagasy mpilalao, sokajy zazalahy, i Hanaffy Ivan Abdoul sy Rakotozafy Tsiory Ulrick. Izy roa lahy ireo no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny “Fiba Africa Regional Youth Camp 2024”. Fiofanana basikety ho an’ny mpilalao sangany aty Afrika latsaky ny 18 taona, hatao ny […]
« Can 2025 »: Vonona handresy an’i Gambie ny Barea
Hiverina hiakatra an-tsehatra, anio, any Maroc, indray ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sy ny Scorpions Gambie. Hiankina amin’io lalao io ny hoavin’ny Barea amin’ny fandraisana anjara amin’ny “Can 2025”. Mitana ny laharana farany izy ireo hatreto. Hotanterahina, anio, ao amin’ny Kianja El Abdi Maroc, ny lalao miverina hifandonan’ny ekipam-pirenena malagasy, […]