Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Taorian’ny hetsika nokarakarain’ny Federa­sio­nina malagasin’ny baolina kitra, hanolorana fanampiana ho an’ireo traboina any Toamasina, tonga nanatitra ny anjara birikiny sy ireo vokatra azo tamin’izany, teny amin’ny BNGRC, ny mpikambana avy ao amin’ny FMF, afakomaly. Tonga nanaraka azy ireo teny an-toerana ihany koa ny solontenan’ireo ligy. Hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny CFFA […]

Sekoly Rugby AJS : Handray anjara amin’ ny sehatra federaly

Anisan’ireo sekoly mamolavola tanora amin’ny taranja baolina lavalava, « Rugby », ny Association des jeunes sportifs (AJS) etsy Tsiadana. Amin’ity taona ity, manana fikasana ny handray anjara amin’ny fifanintsanana anivon’ny rafitra federaly, ao amin’ny seksionina Vakiniadiana ny sekoly, araka ny filazan’ny tomponandraikitra. Raha ny fanadihadiana natao, maherin’ny 80 isa eo ny ankizy […]

Basikety – “ XXL Smatchin Ao Tsara” ; Homena 5 tapitrisa Ariary ny voalohany amin’ny lehilahy

Handray lalao goavana amin’ny taranja basikety, hifanintsanan’ireo mpianatry ny anjerimanontolo, ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity volana ity. Hahazo loka maro izay mendrika. Hotanterahina ny 14 hatramin’ny 22 marsa, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny fifaninanana basikety ho an’ny Oniversite, “XXL Smatchin Ao tsara”. Miisa 44 ireo oniversite sy toeram-pampianarana handray […]

FMF : Fantatra ny toerana hanaovana ny fivoriambe

Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, fantatra izao fa hotanterahina any Antsirabe, ny faran’ny volana marsa ho avy izao, ny fivoriambe ara-potoana (AG) an’ny Federasionina, raha tsy misy ny fiovana farany. Mandritra io fotoana io no hanaovan’ireo mpitantana ny rafitra federaly mitantana ny baolina […]

Volley-ball – CCCOI 2026 : Resin’ny Port-Louis Maurice ny Mama VBC

Nitohy omaly, tatsy Sey­chelles, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny klioba tompondaka na ny CCCOI, taranja volley-ball. Teo amin’ny sokajy lehilahy, lavon’ny Port-Louis avy atsy Maurice, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny Mama volley-ball club Madagasikara. Ny seta voalohany ihany no lasan’ny ekipa malagasy, izay norombahiny […]