Fanatajahantena

Muay Thaï-Maitre Gildas : nankatoavin’ny IFMA ny maha-DTN azy

Nankatoavin’ny IFMA Ocean Indian, ny 14 aogositra lasa teo, ny maha Tale Teknika Nasionaly, an’ny Maître Razanaja­tovo Gildas, eo anivon’ny federasiona malagasy ny Muay Thaï. Nankato izany koa ny African Muay Thaï Union, izay nanao ny Sonia ny taratasy nanendrena azy. Nambarany izany ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Raha tsiahivina, […]

Baolina kitra – Amboaran’ny Kaonfederasiona : hifandona, anio, ny Elgeco Plus sy ny CD Lunda Sul

Hifantoka any Angola avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra amin’ity anio ity. Hotanterahina any an-toerana mantsy ny lalao mandroso hiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona, hikatrohan’ny Elgeco Plus sy ny CD Lunda Sul. Hiaka-tsehatra ny Elgeco Plus, anio, hiatrika ny dingana savaranonando mandroso hiadiana ny amboaran’ny Kaonfedera­si­o­na, taranja baolina kitra. Hifandona amin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, “1ère division” sy “2è division”, taranja Volley-ball. Tompondaka teo amin’ny D1 ny GNVB2 sy ny Squad 1. Tompondaka teo amin’ny 2D kosa ny Asi 2 sy ny Squad. Nahemotra amin’ny volana oktobra ny fifaninanana “King of the mat”, taranja Jiu-jitsu brezilianina […]

BC EST-Vital Serge: “Nisy vidiny ny ezaka natao”

Mitohy hatrany ny fahombiazan’ny klioban’ny BCEST (Basketball club éspoirs sportifs de Tuléar). Taorian’ny nahazoana ny anaram-boninahitra teo amin’ny basikety U14 sy ny Handball, sokajy zandriny, nandrombaka indray ny U18 lehilahy, ny faran’ny herinandro teo izy ireo. “Nisy vidiny ny ezaka natao aman-taonany maro. Na tsy nahazo anaram-boninahitra aza teo aloha, […]