Tonga ny fotoana hanombohan’ny lalao Olympika Paris 2024. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara, miisa fito ireo atleta malagasy mifanintsana amin’izany. Hotanterahina anio, ao amin’ny reniranon’ny Quai de la Seine Paris, renivohitr’i France, ny lanonam-panokafana amin’ny lalao Olympika 2024. Araka ny vaovao voaray, miisa 23 ireo delegasiona malagasy ofisialy lasa […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny andro fahadimy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby ho an’ny D1, vehivavy. Fihaonana hatao ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Hifandona ny 3FB sy ny FTM ary ny RCTS Soavimasoandro sy ny ASUT. Eo koa ny fifanandrinan’ny SCB Besarety sy ny FTFA […]
Kitra –D2 Nasionaly: hifanandrina amin’ny AS St Anne voalohany ny Espoir United
Afaka andro vitsy, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa. Efa vonona tanteraka ny solontenan’Analamanga, AS St Anne. Tonga omaly, any Vohemar, ny AS St Anne Analamanga. Hiatrika ny dingana voalohan’ny fifaninanana diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions” izy ireo, ny 28 jolay – 6 aogositra […]
«Ligue des champions d’Afrique»: hatao atsy Maorisy ny lalaon’ny Disciples sy ny Orlando Pirates
Nanambara tao amin’ny tambajotra serasera, omaly, ny Disciples FC fa hatao atsy Maorisy ny lalao mandroso tokony horaisiny eto Madagasikara, eo amin’ny dingana savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”. Fihaonana, hikatrohany amin’ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Hotanterahina ao amin’ny kianja Complexe Côte d’Or Stadium, ny 18 aogositra […]
«Mada Jeunes 2024»: horaisin’Analamanga ny fifaninanana
Hotanterahina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Hanomboka ny 2 aogositra izany ka tsy hifarana raha tsy ny alahady 10 aogositra 2024. Sokajin-taona telo na eo amin’ny tovolahy na ho an’ny tovovavy no hifaninanana dia ny «minime, cadet, junior». Hiverina eto Analamanga indray izany […]