Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Mitarika vonjimaika ao amin’ny kaonferansy atsimo ny Disciples FC Vakinankaratra. Nahazo fandresena fanindroany, 2 no ho 1, nanoloana ny Antimo Record, tany Toliara, izy ireo. Manana isa enina izany ny […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Ho fantatra anio, ny filaharana vaovao an’ny Barean’i Madagasikara, amin’ny Fifa. Tsiahivina fa mety hiova tanteraka io filaharany io, noho izy ireo tsy nandray anjara tamin’ny Can teo nefa ireo laharana ao ambaniny nandray anjara tamin’izany. Anisan’ireo hiakatra laharana, ohatra, i Soudan sy i Comores. Raraka teo amin’ny dingana voalohany, […]
JJB-Tompondakan’i Eoropa : Resy tamin’ny ady faharoa i Xavier
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Lisbonne, ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, taranja Jiu-jitsu Breziliana, nandraisan-dRanarivelo Xavier anjara. Teo amin’ny ady faharoa, nanoloana an’ilay mpikatroka laharana faharoa maneran-tany, ity Malagasy mpikatroka ity no resy ka tsy afaka nanohy intsony ny fifaninanana. Nahazo fandresena kosa izy tamin’ny ady voalohany, rehefa nifanandrina […]
Baolina kitra – “CAN 2025” : Nahazo “prize money” 7 tapitrisa dolara i Sénégal
Nikatona tanteraka ny andiany faha-36 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2025). Voahosotra ho tompondaka ny Lionan’i Teranga, Sénégal. Ankoatra izay, nahazo “prize money”, mitentina 7 tapitrisa dolara avy amin’ny Kaonfederasionina afrikanina (Caf) ny delegasionin’izy ireo. Samy nahazo ny anjarany daholo ihany koa […]
Lalao Echec : Nanao zaikabe ny ligin’Analamanga
Iray volana taorian’ny nitsanganan’ny ligin’Analamanga, taranja Echec, nanatanteraka zaikabem-paritra tetsy amin’ny Lycée JJ Rabearivelo Analakely izy ireo, ny sabotsy lasa teo. Dinika niantsoana ireo mpilalao, raiamandreny ary ireo rehetra misehatra ao anatin’ity lalaon-tsaina ity. Tanjona, raha ny nambaran-dRaharimanana Faratina, filohan’ny ligy, ny hiainoana sy handraisana ny hetahetan’ny tsirairay ka hitadiavam-bahaolana […]





