Nentina nomena voninahitra farany teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia ary nomena ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national”. Noho ny zava-bitany, izay nitondra anjara biriky lehibe teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, no antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena azy izao mari-boninahitra izao. Taorian’izay, nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra […]
Fanatajahantena
Federasionina malagasin’ny handball : Takin’ny filohan’ny ligin’ Atsinanana ny trosa teo aloha
Manaiky ny fifidianana saingy mitsipaka ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fivoriamben’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), ny filoha mpitantana ny ligin’Atsinanana, Razanadrakoto Harinaivo. Mangata-panazavana ny amin’ny trosa teo aloha izy. Ny sabotsy lasa teo, namory mpanao gazety teo amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Razanadrakoto Harinaivo, filohan’ny ligin’Atsinanana amin’ny taranja handball. Nilaza ny tsy […]
Orange Madagascar: Hanome fahafahana mijery Can mivantana
Hampientanentana ny fitiavam-baolina ny Orange Madagascar. Tafiditra anatin’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), mivantana sy amin’ny endrika niomerika. Nanome alalana ireo mpanohana an-tapitrisa hanaraka ireo fifaninanana afrikanina lehibe indrindra manerana ny kaontinanta izy ireo. Nametraka fanavaozana toy ny Max It Digital Fan Zone, hahafahan’ireo mpankafy manaraka ny […]
Volley-Analamanga : Hatao ny sabotsy izao ny “Super Coupe”
Hotanterahina ny sabotsy 17 janoary izao, eny amin’ny Kianjan’Itaosy, ny fifaninanana “Super Coupe”, taranja Volley-ball, karakarain’ny ligin’Analamanga. Fifaninanana hanombohana ny taom-pilalaovana 2026 ho an’Analamanga ity hatao ity. Ny sokajy vehivavy no hifaninana amin’io sabotsy io. Hahitana lalao eo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona, latsaky ny 16 taona ary ny […]
Manasa-dalan’ny Can : Hanokatra azy ny lalaon’i Egypte sy i Sénégal
Ho fantatra, anio, ny ekipa nasionaly roa hiatrika ny lalao famaranan’ny “Can 2025”, izay tanterahina any Maroc. Hiditra an-tsehatra voalohany i Sénégal sy i Egypte. Manaraka azy ireo avy eo i Maroc sy i Nigeria. Hafana ny lalao anio! Hotanterahina any Maroc ny manasa-dalan’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, […]





