Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga ny talata lasa teo, nihazo an’i Tunisie, ilay Malagasy mpitsara basikety, Maminiaina Sylvain Pierrot. Hiatrika fiofanana any an-toerana ny tenany manomboka anio hatramin’ny 2 novambra ho avy izao. Fiofanana karakarain’ny Federsionina iraisam-pirenena (Fiba) izy ity, hanamafisam-pahaizana. Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny hazakazaka fiarakodia “Coupe du […]

Karate : Atleta 450 hifanintsana any Antsirabe

Hotanterahina ao amin’ny Gymnase Vatofotsy Antsirabe, ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, an’olon-tokana, taranja Karate do, ho an’ny sokajy Cadet, Junior ary ny Senior. Atleta miisa 450 mianadahy, avy amin’ny ligy 20, no hifanandrina amin’izany. Amin’ity fifanintsanana nasionaly ity, hisy ny […]

minisitry ny fantanjahantena: Hanohy ny fanatsarana ireo fotodra­fitrasa

Tontosa omaly, teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) teo aloha, Moustapha Abdulah Marson, sy ny minisitra vao voatendry, Rasambany Alain Désiré. «Firahalahiana tanteraka! ». Io ny teny namaritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, Moustapha […]

Rugby – “XXL Top 12” : Hanohitra ny FTM ny 3FB Fahasalamana

Hitohy amin’ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”, taranja rugby, rehefa niato nandritra ny telo herinandro. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny FTM Manja­ka­ray (Dakar) sy ny 3FB Fahasalamana. Raha ny fifanandrinana teo amin’ny roa […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By-Pass, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15. Fihaonana karakarain’ny Associations des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Ireo klioba manana ny taratasy fanamarinana fijoroana sy ara-dalàna ihany no afaka handray anjara amin’izany. Raha ny […]