Rahampitso! Hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena goavana, any Kosovo, ny Ankoay 3×3, sokajy lehilahy. Antananarivo no anarana entin’izy ireo mandritra izany. Lalao roa avy hatrany no ataon’ny Ankoay. Niainga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato hihazo an’i Kosovo, ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay. Hiady ny tapakila handehanana any Chine mandritra ny fifaninanana basikety […]
Fanatajahantena
Baolina kitra – Fifaninanam-pirenena: niova anarana ho “World Cola League des champions”
Niova ho “World Cola League des champions” indray ny anaran’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra manomboka izao. Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa sy fanohanan’ny orinasa Star ny Federasiona malagasy (FMF). Hisantatra izany ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena eo amin’ny sokajy «D2 National». Io no votoatin’ny fihaonan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Niteraka fimenomenonana teo amin’ireo ekipa vahiny ny tsy fahatongavan’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball nanatrika ny fiadiana ny CCCOI, natao tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny 9 ka hatramin’ny 16 jolay lasa teo. Rehefa nanontaniana ny tomponandraikitra, ny tsy fahasalamany no antony tsy nanatrehany izany. Hitohy amin’ny alahady ho avy izao, etsy […]
Barea de Madagascar: mpilalao 9 tsy manana klioba
Efa saika tapitra avokoa ny fifanarahan’ireo mpilalaon’ny Barea amin’ny klioba nisy azy any Eoropa any, amin’izao fotoana izao. Ny ankamaroany, tsy nanaiky ny hanavaozana ny hitohizany tao amin’ireo ekipany teo aloha ny tomponandraikitra. Fantatra àry fa miisa 9 ireo tsy mbola manana klioba hilalaovana ankehitriny. Anisan’ireny i Sonny Laiton, mpiandry […]
Tenisy – Davis Cup : nandresy an’i Lesotho ny Akomba de Madagascar
Nahazo fandresena avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy, ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny «Davis Cup »,taranja tenisy, sokajy lehilahy, ho an’ny vondrona faha-5. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 2 no ho 0 i Lesotho. Tsara fanombohana ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny «Davis Cup», taranja […]