Nifarana omaly, teny amin’ny EFTA Ambatobe, ny fampivondronana voalohany ho an’ireo mpikatroka Karate-do manerana ny Nosy, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Atleta 90 no tonga namaly ny fiantsoana ary tena navitrika tokoa, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Émile. Fifankahafantarana, firaisan-kina sy fifampizarana traikefa no tena niompanan’ity […]
Fanatajahantena
DAKA AN-JORONY: Ny baolina tsy miandry marary
Fahiny, samy manana ny mampiavaka azy ireo mpijery ny taranja isanisany, mandritra ny fifaninanana. Ho an’ny baolina rugby, nisy ny hoe : 5 minitran’ny Stade sy ny may Ambondrona. Misy dikany avokoa izany ho azy ireo. Iry voalohany ilazana fa afaka handresena ny minitra farany. Ny faharoa, hanambarana fahamaikana ka mikoropaka […]
Federasionin’ny handball : Lany ho filoha Ratsimandao Andriamanga
Manana filoha vaovao hitondra sy handrindra ny Federasiona Malagasin’ny taranja Handball, i Madagasikara. Voafidy tamin’izany, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa Andrianisainana. Nahazo mpitantana vaovao ! Lany ho filoha hitantana ny Federasionina malagasin’ny handball, mandritra ny efa-taona manaraka, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa Andrianisainana na fantatrin’ny maro amin’ny hoe i Manga. Vato enina tamin’ireo ligy […]
SOMBIM-BAOVAO
Tsy raikitra rahampitso, ny lalaon’ny As Fanalamanga sy ny Ajesaia, izay tokony hatao any Ambatondrazaka. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, PFL. Lalao telo, araka izany, no handeha amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanafika ny TGBC Atsinanana atsy Toamasina, ny Cosfa Miaramila, tompondaka lefitrin’ny PFL farany […]
Fitantanana ny taranja Handball : Fantatra anio ny filoha hitantana ny Federasionina
“Iza amin’izy efatra”? Ho fantatra anio, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina, ny anaran’ny filoha vaovao hitantana ny Federasionina malagasin’ny Handball (FMH). Hatao androany eny an-toerana mantsy ny fifidianana izay ho lehibe hitondra izany indray mandritra ny efa-taona manaraka eo. Miisa efatra ireo kandida nirotsaka hifanintsana amin’ izany. […]





