Fanatajahantena

Fiofanana Fiba Afrika: Malagasy mpitsara telo afa-panadinana

Namoaka ny anaran’ireo mpitsara afrikanina nahomby tamin’ny fiofanana ny eo anivon’ny Fiba Afrika. Malagasy mpitsara telo, ahitana an-dRabemananjara Mbolamena, Son of Man Sunshine Cynthia Anastasie ary Rakotonirina Lantomananarivony Aina Redjany, no afaka tamin’ny fanadinana ka nahazo ny mari-pahaizana Niveau 1. Tsiahivina fa mpitsara efatra no niatrika ny fiofanana ho an’i […]

« Grand Trail de la Réunion » ; Hifaninana amin’ireo atleta 300 i Sidonie

Hanana solontena amin’ny « Grand Trail de la Réunion » i Madagasikara. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany Randrianarivelo Sidonie, atletan’ny AS Fanalamanga. Nanome fankaherezana sy tohana ho azy ny orinasa hoentin’ny miatrika izany fifaninanana goavana izany. Hanainga anio, hiatrika ny « Grand Trail de la Réunion » hatao ny 16 oktobra ho avy izao Ran­drianarivelo […]

Fifanintsanana Mondial : Efa any Mali ny Barean’i Madagasikara

« Tonga sahady! Vonona izahay! » Araka ny loharanom-baovao voaray, omaly, efa any Bamako, Mali, ny ekipam-pirenen’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Na­nainga omaly maraina, tany Côte d’Ivoire, ny Barea. Raha ny fampitam-baovao, salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra ary vonona ny haka fandresena eo anatrehan’i Mali, ny 12 oktobra ho avy […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao, maratra tsy afaka hiakatra eny ambony kianja indray i Paul Pogba, frantsay mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioban’ny AS Monaco. Tsiahivina fa taorian’ny sazy nahazo azy, mbola tsy niakatra an-kianja mihitsy ny tenany, ary tsy mbola niatrika lalao ofisialy. Tafita hiatrika ny “Mondial 2026”, any Mexique […]

Taranja mekanika : Foana ny fifaninanana

Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, man­dalo fotoan-tsarotra koa ny taranja mekanika. Araka izany, nanambara tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ny Fede­rasionina malagasin’ny sport automobile (FSam) sy ireo klioba mpikarakara fa tsy misy ny fifaninanana ho an’ity volana oktobra ity. Efa nofoanana ny “Grand Prix karting”, tokony ho natao ny 5 […]