Hanomboka amin’ny fomba ofisialy anio alakamisy, ao amin’ny Kianja Douaisis France, ny andiany faha-20 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Firenena hatrany amin’ny 50 no hiady izay ho lohany amin’ity ka anisan’izany i Madagasikara. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona tanteraka hiatrika izany. […]
Fanatajahantena
Muay Thai Tournament 3 : Hifandona i Sandra sy i Katy
Hafana tanteraka ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hatao any Toamasina, ao amin’ny Kianja mitafo Arena, ny 23 novambra izao. Anisan’ny ady andrasana ny eo amin’ny “Main Évent”, sokajy vehivavy, hifanandrinan’i Sandra, avy amin’ny Phoenix ao Antsirabe, sy i Katy, avy amin’ny Tiger’s eto Antananarivo. Sokajin-danja latsaky ny 48 kg […]
Fifanintsanana Mondial 2026: Nandresy an’i Comores, 2 no ho 1, i Madagasikara
Tsara ny vokatra tany Côte d’Ivoire, omaly, ho an’ny Barean’i Madagasikara. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Coalacanthes Comores, nandritra ny andro fahasivy tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka manerantany 2026. “Fandresena iray izay!”. Nahazo isa telo ny Barea. Lavon’ny ekipa nasionaly malagasy, tamin’ny isa 2 no […]
Judo-“Tournoi du Hainaut”: Nahazo medaly volamena 2 sy alimo 2 ny Malagasy
Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana “Tournoi de Hainaut”, taranja Judo, notontosaina tany Bélgique, ny faran’ny herinandro teo. Medaly volamena 2 sy alimo 2 no norombahin’ny Malagasy nandritra izany. Teo amin’izay vokatra izay, Andriamitandrina Fehizoro, sokajy latsaky ny 13 taona, nahazo medaly volamena iray. nahazo fandresena 3 izy […]
SOMBIM-BAOVAO
Resy tamin’ny fihodinana voalohany ny solontena malagasy, i Nathanael, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Juniors, notontosaina tany Lima, Pérou, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalan’ny Ippon no nandavoan’ilay teratany Libanais, i Yoshido El Saikaly, azy. 30 ny isan’ny mpifaninana teo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 81 kg […]




