Hikatona tanteraka rahampitso, ny fifaninanana nasionaly, ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief). Hotanterahina anio, kosa ny famaranana amin’ireo taranja iraisana. Ho an’ny taranja lomano, vita ny alakamisy teo ny fifaninanana ka nahazo ny laharana voalohany ny MFA, nahazo medaly volamena 24, volafotsy 9 ary alimo 10, izay mitotaly 43 medaly. Laharana faharoa […]
Fanatajahantena
Rally Boeny: mitarika i Fred sy i Mick
Mizotra antsakany sy andavany ny “Mobil Rally of Boeny”. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rallye, tanterahina any Mahajanga. Fihaonana karakarain’ny Gojang. Nanjakan’ny klioba Asacm ny andro faharoa nanatontosana ny dingana manokana “ES” miisa 6. Izy ireo avokoa mantsy no tafiditra telo voalohany. Mitarika anefa i Fred […]
Zone 7 Basket-ball : nandresy an’i Comores ny Ankoay U16
Eo am-panomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Afrobasket”, natokana ho an’ny latsaky ny 16 taona, ny ekipam-pirenena malagasy. Miatrika ny fifanintsanana Zone 7 ihany koa izy ireo any Diego. Nanomboka ny alakamisy 15 aogositra teo ny fifanintsanana ho an’ny faritra faha-7, hahazoana ny tapakilan’ny “Afrobasket U16”, lehilahy sy vehivavy. […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny dingana farany, manomboka anio, ny fifaninanana Asief, ho an’ny taranja iraisana, tanterahina any Antsirabe. Efa vita kosa ny taranja manokana, toy ny karaté, ady totohondry, lomano. Tanterahina any Diego, nanomboka omaly 15 hatramin’ny 18 aogositra izao, ny fifanintsanana Fiba Africa-Zone 7, taranja basikety. Fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny Afrobasket, […]
Karaté – “Challenge de Betsileo”: niakatra ny haavo teknikan’ny mpikatroka
Notanterahina tany Fianarantsoa, nanomboka ny 8 aogositra ka hatramin’ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana karaté “Challenge de Betsileo”. Fifaninanana nokarakarain’ny ligin’i Matsiatra Ambony, teo ambany fiahian’ny Federasion’ny Karate-do malagasy. Nambaran’ny filohan’ity federasiona ity, Ratefinanahary Émile, fa niakatra ny haavo teknikan’ny mpikatroka. ” Nisy vokany tsara ny fampivondronana sy fanofanana ireo mpikatroka”, […]