Fanatajahantena

DAKA AN-JORONY: Voatra ampangoro ny olombelona

Mangina tanteraka aloha izao ny fifaninanana eto an-toerana noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Fotoana afaka handinihin-tena ihany koa satria efa hifarana ny taona ka ao anatin’ny fanaovana tomban’ezaka sy fanavaozana ny mpitantana ny taranja sasany amin’izao. Ao anatin’izany, tsy misy afaka mirehareha ho nahavita na tsia satria voatra ampan­goro […]

Taranja Échecs malagasy : Miakatra tsikelikely ireo taninketsa

Taranja iray anisan’ny mivoatra sy hain’ny Malagasy ny taranja Échecs. Efa mitombo be ihany koa ny mise­hatra amin’ity lalaon-tsaina ity ankehitriny ka vao maika mpampiakatra ny lentan’ny Échecs eto Mada­gasikara. Anisan’ny ahitana taratra ny fiakaran’ny lentan’ny taranja iray ny fisian’ireo taniketsa izay hoavin’ilay taranja. Manana izany ny taranja Échecs raha […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga ny alakamisy alina teo ny delegasionina malagasin’ny taranja Échecs, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy “Jeunes”, tantera­hina any Durres, Albanie. Aina Masambatra, Irvin Keyn­nan, Miarana Irinah ary Dimbiharentsoa Christiana no nanainga teto Madagasikara ary hamonjy an’i Fitia Noah sy Sombin’Aiko efa any an-toerana. I Verné Prinsloo, teratany Afrikanina […]

Judo-“tournoi de Hainaut”: Mpikatroka 7 avy amin’ny JCA handray anjara

Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanana “Tournoi de Hai­naut”, taranja Judo, izay hatao any Belgique. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena amin’ny alalan’ny Judo Club Atrika (JCA) Atsinanana. Ny mpanazatra, ny Maître Raoelison Annie no hitarika ny delegasiona malagasy, izay ahitana mpikatroka 7 mianadahy. I Davidson […]