Fanatajahantena

Lalao Olympika (JO 2024) : miandry «wild card» i Sidonie

23 andro mialoha ny hanombohan’ny lalao Olym­pika, tanterahina any Paris France, mbola tsy fantatra ny ho isan’ny atleta malagasy hiatrika izany fihaonana ma­neran-tany izany. Noho ny tsy fahazoan’i Sidonie Fiadanan­tsoa ny fe-potoana farany ambany tsara indrindra tokony ho tratrarina “minima”, eo amin’ny taranja fototra atletisma, voatery miandry ny fanasana manokana […]

Inate FC Rouge: vonona hanohitra ny Elgeco Plus

Andro iray sisa dia handeha ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 ». Nilaza ny filohan’ny Inate FC Rouge Vakinankaratra, Rakoton­dra­miara Hasina, omaly, teny Ambohimanambola, fa vonona tanteraka ny mpilalaon’ izy ireo ny hifanandrina amin’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany. Nomarihin’izy ireo fa tanjona amin’ity taom-pilalaovana ity ny haka […]

Bisikileta- “Ocean Indien 2024” : hiady mafy amin’ny « course en ligne » i Mohamed Houlder

Ratsy fanombohana ny Malagasy mpihazakazaka am-bisikileta, i Mohamed Houlder, tamin’ity fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina ity. Laharana faha-14 ny tenany tamin’ny hazakazaka ara-potoanan’ny tsirairay. Hiezaka mafy izy amin’ny dingana farany. Hifarana anio, ny fifaninanana amin’ny taranja bisikileta, ho an’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay tontosaina ao amin’ny Nosy rahavavy Maurice. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 13 sy ny 14 jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny andro voalohan’ny fifanina­nana « Play out PFL », hahafantarana ny ekipa roa mihintsana any amin’ny diviziona faharoa. Raha ny vaovao voaray, hatao ny faran’ny volana jolay kosa ny fifanintsanana nasionaly diviziona faharoa. Hotanterahina ny 6 hatramin’ny 14 jolay ho […]

Rugby à VII – « Africa sevens Men 2024 »: nahazo isa 18 ny Makis de Madagascar

Namoaka ny isa azon’ny ekipa tsirairay avy, omaly, ny Rugby Afrique, taorian’ny fahavitan’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovina olona 7, so­kajy sénior, lehilahy, « Africa sevens Men 2024 ». Fihao­nana natao tatsy Maorisy, ny 29 sy ny 30 jona lasa teo. Fantatra ary fa nahazo […]