Mitombo hatrany ny isa ho an’ny ekipa nasionaly malagasy. Manana isa fito izy ireo ao amin’ny vondrona “I”, rehefa nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko tamin’i Mali. Ady sahala! Nahazo isa iray fanampiny indray ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo. Nisaraka […]
Fanatajahantena
Kitra – «Ligue 1» Analamanga : tompondaka ny AS Ste Anne
Norombahin’ny AS Ste Anne Bongatsara, ny anarana maha tompondakan’ny ligin’ Analamanga D1, taranja baolina kitra. Resiny tamin’ny isa, 2 no ho 0 teo amin’ny famaranana ny Toulon Academy. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny alahady lasa teo. Baolina matin’i Baba, minitra faha-35 sy ny an’i Anico (90 […]
Tenisy – “Billie Jean King III”: resin’i Zimbabwe i Madagasikara
Notontosaina, omaly, tany Nairobi Kenya, ny andro voalohan’ny fifanintsanana “Billie Jean King”, vondrona III, sokajy vehivavy, taranja tenisy. Ratsy ny vokatra ho an’i Madagasikara. Resin’i Zimbabwe tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo. Mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny sokajy “A” ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa miray vondrona amin’izy […]
Fifanintsanana «Mondial 2026»: izao maraina vao tonga atsy Afrika Atsimo i Mali
Manana fahasahiranana ny Voromaherin’i Mali satria ny maraina teo vao tonga ao Afrika Atsimo ny delegasion-dry zareo. Araka izany, tsy hisy fotoana firy hizarana kianja sy toetr’andro ny ekipa malianina ka mety hanome tombondahiny ho an’ny Barea de Madagascar. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra tao amin’ny tambajotran-tseraserany, […]
Rugby – “XXL Top 12”: nomontsanin’ny FTM ny FTBA Andohatapenaka
Voahaja ny lojika. Resin’ ny FTM Manjakaray tamin’ny isa mavesatra 92 no ho 0 ny FTBA Andohatapenaka. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, «XXL Top 12». Lalao notanterahina, omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Efa nampoizin’ny rehetra ny vokatra. Ambony lavitra ry zareo […]