Fanatajahantena

Échec-Analamanga : Nivoaka ny tetiandrom-pifidianana

Fantatra omaly ny tetiandrom-pifidianana ho an’ny birao hitantana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Échec. Hotanterahina ny 20 desambra izao izany fifidianana izany ka efa misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny hirotsaka ho fidina hitantana ny ligin’Analamanga, ho an’ny efa-taona manaraka. Nanomboka omaly 20 novambra ary hifarana ny 5 […]

“CAN 2027” : Mety hiova ny lalàna amin’ny fifanintsanana

Mety hiova ny dingan’ny fifanintsanana amin’ny “Can 2027”, araka ny fikarohana natao omaly. Ireo laharana voalohany sy faharoa telo mendrika indrindra ihany no mahazo tapakila mivantana ary mandalo lalao sakana ireo fire­nena faharoa ambiny. Efa mandeha ny resaka any ivelany fa hisy ny fa­novana ny làlana amin’ ny dingan’ny fifanintsanana […]

Bisikileta – Fifaninanana afrikanina: Hiakatra an-tsehatra anio i Mohamed Houlder

Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 23 no­vambra ho avy izao, atsy Ke­nya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja bi­sikileta. Sam­bany eo amin’ny tantara no handray anjara amin’izany i Madagasikara. Hiakatra an-tsehatra, anio, i Mohamed Houlder Amédé, hany tokana solontenan’ny Malagasy amin’ ity fifanintsanana afrikanina ity. Nilaza ny tenany fa vonona […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina omaly ny lanonana goavana hanomezana mari-pankasitrahana an’ireo mpilalao sy mpanazatra afrikanina. Manana solontena hofidina amin’izany i Madagasikara, dia ny Coach Rôrô, izay tafiditra anatin’ireo mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika sy i Fely, hofidina ho anisan’ireo nampiditra baolina tsara indrindra tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Araka ny fikarohana natao omaly, tao […]

Rallye ASACM: 29 ireo hifaninana

Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny alahady 23 novambra ho avy izao ny Rallye Asacm. Dingana fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny familiana fiarakodia ity hatao ity. Hisy 29 ireo mpanamory handray anjara sy hiady ho lohany amin’ity. Anisan’ireo hiatrika izany i Mathieu sy i Heri Possible, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm, mitondra […]