Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny andro fahadimy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby ho an’ny D1, vehivavy. Fihaonana hatao ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Hifandona ny 3FB sy ny FTM ary ny RCTS Soavimasoandro sy ny ASUT. Eo koa ny fifanandrinan’ny SCB Besarety sy ny FTFA […]

Kitra –D2 Nasionaly: hifanandrina amin’ny AS St Anne voalohany ny Espoir United

Afaka andro vitsy, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa. Efa vonona tanteraka ny solontenan’Analamanga, AS St Anne. Tonga omaly, any Vo­hemar, ny AS St Anne Analamanga. Hiatrika ny dingana voalohan’ny fifaninanana diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions” izy ireo, ny 28 jolay – 6 aogositra […]

«Ligue des champions d’Afrique»: hatao atsy Maorisy ny lalaon’ny Disciples sy ny Orlando Pirates

Nanambara tao amin’ny tambajotra serasera, omaly, ny Disciples FC fa hatao atsy Maorisy ny lalao mandroso tokony horaisiny eto Mada­ga­si­kara, eo amin’ny dingana savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Li­gue des champions”. Fihao­na­na, hikatrohany amin’ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Hotanterahina ao amin’ny kianja Complexe Côte d’Or Stadium, ny 18 aogositra […]

«Mada Jeunes 2024»: horaisin’Analamanga ny fifaninanana

Hotanterahina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Hanomboka ny 2 aogositra izany ka tsy hifarana raha tsy ny alahady 10 aogositra 2024. Sokajin-taona telo na eo amin’ny tovolahy na ho an’ny tovovavy no hifaninanana dia ny «minime, cadet, junior». Hiverina eto Analamanga indray izany […]

Rugby – Top 12: “Vonona foana ny Uscar na tsy misy filoha aza”, hoy i Benja SG

Noho ny olana anaty, nametra-pialana ny filohan’ny fileovana Uscar, taranja rugby. Manoloana izany, fiaraha-mitantana ny hitondrana ny ekipa. “Vonona foana izahay na tsy misy mpitondra aza”, hoy Randriamanantena Benjamin, sekretera jeneralin’ny Uscar. Gazety Taratra (*) : Aiza ho aiza ny Uscar ao anatin’izao taom-pilalaovana izao ? R.Benjamin (-) : Eo ihany ny […]