Fanatajahantena

Rugby ho an’olona 7 : Laharana fahefatra ny Makis Ladies

Nifarana omaly, tany Kenya ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona vehivavy “Africa Women’s 7’s Tournament”. Toy ny tamin’ny taon-dasa, laharana fahefatra ny Makis Ladies. Resin’ny The Cranes Ouganda, tamin’ny isa 38 no ho 12 teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo Ogandezy indray ny […]

Hazakazaka Trail UCTS: Hisy ny fifaninanana ho an’ny ankizy

Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 novambra ho avy izao, eto an-dRenivohitra, ny hazakazaka mitety vohitra sy natiora, « Ultra Trek des Col­lines Sacrées (UTCS) ». He­tsika lehibe izay karakarain’ ny Ortana izy ity. Imasoana ny hampiroboroboana ny fizahantany maharitra sy ny Fanatanjahantena eto Anala­manga. Hampiavaka an’ity andiany ity, ny « Kilonga Trail (2,76 km) », […]

DAKA AN-JORONY: Sao miala loza ka sendra atambo

Hiatrika lalao indray ny Barean’i Madagasikara anio. Fihaonana tsy ofisialy fa fanomanan-tena ihany. Efa mangina rahateo ny olan’ny federasionina, taorian’ny hetsika nitakiana ireo volan’ny mpilalao tamin’ny « Chan 2024 ». Manan­gasanga indray ity ny mety tsy hahatanteraka ny fihodinana faharoa amin’ny Diviziona faharoa nasionaly. Mety miala loza izany ka sendra atambo. Nifify […]

Bodybuilding – Fifanintsanana : Nitondra medaly roa ny Malagasy na tsy nisy nanampy aza

Na dia tsy notohanana aza, nitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy ihany, ry Rado sy Maurice. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja « Bodybuilding », i Rado, faharoa kosa i Maurice. Nisongadina indray ny atleta malagasy! Nan­drombaka medaly roa, volamena sy volafotsy, ny solontenan’i Madagasikara nan­dritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, « World […]

SOMBIM-BAOVAO

Nihaona tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, tetsy amin’ny biraony, Ambohijatovo, omaly, ny filo­han’ny Kaonfederasionina afrikanina ny baolina kitra teo aloha, i Ahmad Ahmad. Tanjona ny fifampizarana traikefa amin’ny fitantanana sy ny hampiroboroboana ny taranja baolina kitra. Nodinihina manokana ny ma­hakasika ny fankatoavana ny Kianja […]