Fanatajahantena

Tsipy kanetibe: hiatrika «Tournée Estivale 2025» izay voalohany

Hotanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny tsipy kanetibe. Fifanintsanana hatao eny amin’ny kianja Fitaratra Ton­garivo Tanjombato ary natokana ho an’ny sokajy olon-droa miaraka. Araka ny lalàna mifehy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, natao ho an’ireo mpilalao ma­nana kara-pilalaovana ara-dalàna izany. Hanana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Tunis Tunisie, ny 2 hatramin’ny 8 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate. Anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara. Efa miatrika fanazaran-tena isan’andro ireo Malagasy mpilalao, araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny karate. Hotontosaina ny 26 hatramin’ny 28 jolay ho […]

Course de côte defi Bardahl: hiditra amin’ny dingana fahefatra

Hotanterahina ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 jolay ho avy izao ny dingana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny Slalom sy ny Course de côte defi Bardahl 2024. Fifaninanana karakarain’ny klioba TACS ary hatao eny amin’ ny vohitr’i Manintona sy Ambohidava. Lalan-tany mirefy 2,83 km no hifaninanana amin’ity. Fihaingana eo Manintona […]

Ping pong – Tompondakan’i Afrika: nahazo ny laharana fahatelo i Madagasikara

Nahavita zavatra goavana nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tany Botswana ny ekipa malagasy, ny herinandro lasa teo. Manana fanamby ny hiatrika lalao maneran-tany izy ireo. Tsara ny vokatra! Mada­gasikara no nahazo ny laharana fahatelo ta­min’ireo firenena 17 nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, […]

Rugby – «Top 20»: hifindra etsy Malacam ny fifaninanana

Hotanterahina etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny fifaninanana “Top 20, taranja rugby”. Antony, mba tsy hampitarazoka ny lalao izay mifanindran-dalana amin’ny “Top 12”. Manomboka ny alahady 28 jolay ho avy izao, hifindra etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondaka ho an’ny “Federal 2” na ny “Top […]