Fanatajahantena

INDRAY MIJERY

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny andiany fahenina amin’ny Forum Mini-basket, izay karakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) sy ny Fiba Afrika. Miisa 365 isa ireo ankizy tonga nana­trika izany teny an-toerana. Hiatrika ny fifaninanana Davis Cup vondrona “V”, izay hatao any Gaborone […]

Playout PFL : hifanandrina amin’ny CFFA ny Mama Fc

Hotanterahina eto an-drenivohitra, anio, ny andro faharoan’ny fifaninanam-pirenena hahafantarana ireo ekipa roa midina any amin’ny diviziona faharoa, “Playout Coca-Cola PFL”, ho an’ireo kaonferansy roa, avaratra sy atsimo. Ani­san’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Mama Fc, izay samy miray von­drona ao amin’ny Kaon­fe­ransy Atsimo. Hatao eny […]

Kylian Mbappé : lasan’ny Real Madrid tanteraka

Notanterahina, omaly, tao amin’ny kianja Santiago Berna­beu Espagne, ny lanonana fandraisan’ny Real Madrid an’i Kylian Mbappé, Frantsay mpilalao baolina kitra. Nahatratra 80 000 ny olona tonga nanatrika izany tao an-kianja. Niavaka tanteraka ny fandraisan’ity klioba espaniola ity an’i Mbappé. Anisan’izany ny fampisehoana horonantsary fohy izay mira­kitra ny tantaran’ity kalaza frantsay […]

Handball – CCCOI 2024 : tompondaka ny THBC sokajy sénior, vehivavy

Voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara ta­ranja handball sokajy “sénior” vehivavy ny THBC Anala­manga. Ny CH Combani avy atsy Mayotte no nandrombaka ny amboara, teo amin’ny so­kajy lehilahy.   Tontosa omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ ny ranomasimbe Indianina, […]

Handball – CCCOI 2024 : hofaranan’ny Malagasy sy i Mayotte

Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity talata ity ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Adin’ny ekipa malagasy sy i Mayotte izany na eo amin’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy. Ho an’ny andriambavilanitra, hifandona […]