Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe tany Espagne, ny faran’ny herinandro teo. Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ireo maherifo nandrombaka medaly tamin’ny tompondaka maneran-tany. Nisongadina nandritra ny lahateniny ny hoe: “tsy maintsy hojerena mitovy avokoa ny taranja […]
Fanatajahantena
Fanoloana an-dRalisy amin’ny «Meeting de la Réunion»: «Misy teknisianina manakorontana”, hoy i Johnson, filohan’ny 3FB
J-24 mialoha ny hiatrehan’ny atleta malagasy ny “Meeting de la Réunion”, misavoritaka tanteraka ny delegasionina noho ny fisian’ny resaka fanoloana atleta handray anjara amin’izany. Nitondra fanazavana ny filohan’ny klioba sy ny federasionina fa tsy misy fanoloana atleta izany fa misy teknisianina minia manakorontana. Niteraka resabe, ny fiandohan’ity herinandro ity, ny […]
«Mondiaux Junior 2025» : Nahazo tompondaka miisa 4 i Madagasikara
Tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe, sokajy «Juniors» lahy sy vavy. Avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, natao tany Espagne ny 24 – 26 oktobra lasa teo. Tsy niveri-maina fa nahazo tompondaka maneran-tany miisa 4. Notsiahivin’Andrianirina Adrien, filohan’ny Federation Sport Boule de Madagascar […]
SOMBIM-BAOVAO
Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifaninanana « Muay Thai Tournament 3 » amin ‘izao fotoana izao, ny mpikarakara. Anisan’ny ady hafana amin’io, ny eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg lehilahy. Mpikatroka manana ny maha izy 3 lahy no hifanandrina amin’izany, hahitana an’i Lahatra (Tiger’s), i Gael (Toamasina) ary i Tahiana (Phoenix Antsirabe). Ny […]
Echecs: Miatrika « coupe du monde » i Fy
Tontosaina any Inde, nanomboka ny 30 oktobra lasa teo, hatramin’ny 27 novambra, izao, ny fiadiana ny amboara maneran-tany « Fide », taranja échecs. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana an-dRakotomaharo Fy Antenaina izay miatrika ity fifaninanana ity any an-toerana. Malagasy mpilalao échecs, laharana voalohany i Fy. Azo lazaina ho miady […]





