Fanatajahantena

Filoha Rajoelina Andry: « Ny ezaky ny tena no mahatafita »

Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, fa antoky ny fahombiazan’ny tsirairay ny ezaka ataony. Porofon’izany ny Barean’i Madagasikara, izay nomena mari-boninahitra sy volabe, teny Iavoloha. Noraisin’ny filoham-pirenena malagasy, Ra­joelina Andry, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ireo delegasionina Barean’i Madagasi­kara, niatrika ny « Chan 2024 », izay avy nandrombaka medaly volafotsy. Noto­loran’ny filoham-pirenena […]

Basikety-Mada U20 : Tompondaka ny EBF sy ny NBE

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Arivonima­mo, ny famaranana ny  fiadiana ny tompondakan’i Madaga­sikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny NBE Vakinankaratra ary teo amin’ny sokajy lehilahy ny ekipan’ny EBF Matsiatra Ambony. Tsiahivina fa fifaninanana mamarana ny taona, […]

Karate Tanà Ville-« Kids Cup&U14 » : Nahazo medaly 18 ny ny klioban’ny Tekado

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Re­nivohitra, taranja karate. Ani­san’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny klioban’ny Tekado. Karatekas 18 no solontenan’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity ary tena tsa­ra ny vokatra azo. Medaly 18 be izao noraofin’ny mpikatroka avy eo anivon’ny Tekado, […]

Tolona torapasika- Afrika: Nahena ny isan’ny atleta noho ny olana ara-bola

Noho ny tsy fahampian’ny enti-manana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Tolona, voatery nahena ny isan’ireo delegasiona miaro ny voninahi-pirenena any Maroc, mandritra ny fifanintsanana “Beach Wrestling Africa 2025”. Hotanterahina any Casa Blanca Maroc, ny 3 ha­tramin’ny 7 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona amin’ny torapasika […]