Fanatajahantena

Ping-pong : nahazo ny tapakila hiatrehina ny lalao Olympika i Fabio

Anisan’ireo firenena hanana solontena hiatrika ny lalao Olympika, “JO 2024” tanterahina any Paris, France ny Malagasy. Nahazo ny tapakila hiatrehina izany ny taranja ping-pong, tamin’ny alalan-dRakotoarimanana Fabio. Atleta malagasy voalohany tafita hiatrika ny lalao Olympika, “JO 2024”, hatao any Paris France, ny 26 jolay ho avy izao Rakotoari­manana Fabio, mpilalao […]

Beach Soccer : resin’i Menabe ry zareo Atsimo Atsinanana

Notanterahina omaly, tany Antalaha, ny andro fahatelon’ ny fifaninanana Beach Soc­cer, “Festival Mazavaloha”. Misongadina tanteraka ny ekipan’i Menabe. Nomontsanin’ izy ireo tamin’ny isa mavesatra 10 no ho 1 ry zareo Atsimo Atsinanana. Araka izany, ity no fandresena fahatelo azon’i Menabe nandritra ny fifaninanana. Ny mpilalao voafantin’i Boeny ihany no nandresy […]

Baolina kitra – «  Mondial 2026 » ; mpilalao telo vaovao handrafitra ny Barea de Madagascar

Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika ny Coelacantes Comores, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ ny «Mondial 2026». 25 ireo nantsoin’ny mpanazatra hiatrika izany atsy Afrika Atsimo, ka ny telo vaovao. Namoaka ny anaran’ny Barea, hiatrika an’i Comores amin’ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026», tetsy Isoraka, omaly, ny Me Rôro, mpanazatra. […]

SOMBIM-BAOVAO

Malagasy mpitsara baolina kitra efatra mianadahy, telo lahy sy vavy tokana, no manaraka fampiofanana any Le Caire, Egypte, ny 13 hatramin’ny 17 mey ho avy izao.Fiofanana karakarain’ny Kaonfederasiona misahana ny baolina kitra aty Afrika (CAF). Nison­gadina tamin’ny andrana hafainganam-pandeha izy ireo, nandritra ny adina ara-batana. Ho fiatrehana ny fifaninanana afrikanina, […]