Nanandratra avo ny voninahi-pirenena indray ny tsipy kanetibe nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zandriny, Juniors 2025. Nandrombaka ny medaly volamena ary voalohany teo amin’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, i Madagasikara. Nifarana omaly, tany Isla Cristina Espagne, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy […]
Fanatajahantena
Resaka “Prize Money”: Manome 72 ora ny FMF ny Barea zokiny hamahafa ny olana
Vaky ny ady eo amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo Barea zokiny, Faneva Ima, Bolida, Abel Anicet, Voavy Paulin. Fe-potoana telo andro no omen’izy ireo ny rafitra federaly hanomezana ny ambin’ny vola. Nanao fanambarana mivantana tao amin’ny pejy facebook omaly, ireo mpilalao zokiny nandrafitra ny Barea, toa an-dry […]
Mpanazatra Corentin Martins : Baraingo ny fitohizan’ny asa
Hifarana ny faran’ny volana janoary ho avy izao ny fifanarahana eo amin’i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’ny fitondrana ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Nilaza ny eo anivon’ny federasionina fa mbola hiankina amin’ny fitondram-panjakana ny mety hanavaozana ny fifanarahana na tsia. Notsiahivin’izy ireo fa ny fanjakana no […]
SOMBIM-BAOVAO
Raha tsy misy ny fiovana, hitohy ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena taranja baolina lavalava, « XXL Top 12 ». Tsara ny mampahatsiahy fa efa nandeha ny andro voalohan’ny fifaninanana. Mbola baraingo hatrany ny fiadiana ny amboara lehibe na ny “Super Coupe”, izay hifanandrinan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’i Madagasikara sy […]
Cosafa, sokajy vehivavy : Handray anjara ny Barea Ladies
Anisan’ireo firenena hifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa 2025) ny Barea Ladies. Fifaninanana izay nahemotra ho amin’ny fiandohan’ny taona 2026, raha tanterahina isaky ny volana novambra izy ity, saingy noho ny tsy fahafahan’ireo firenena hampiantrano ny anton’ny fanemorana. Mbola eo am-piresahana […]





